|
|
|
|

Entrée1 Kintana mamony
Mots élémentaires  2kintana, 3mamony
Partie du discours  4 nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Vocabulaire  5 Littérature: poèmes
Auteur  6Razakandraina Jean Verdi Salomon
Texte complet  7 Indro indray ianao, ry lanitra,
8 ngalingaly ery fa tony.
9 Satrinay hanentona hanitra
10 'reto kintana mamony!

11 Fa baliaka dia baliaka,
12 mipendrampendrana aok'izany,
13 toa manantsika , sariaka,
14 saingy lavitra ny tany.

15 Ireo e ny voninkazo
16 nofinay ka ho azo,
17 fa dia eny no andrandraina !

18 tsy hanintsana doria!
19 Moa ny masonay tia,
20 raha hahirina hangaina ?

Mis à jour le 2025/09/13