| Entrée | 1 Teo amin' ny valsa |
| Mots élémentaires | 2 t~, 3 eo, 4 amy, 5 valsa |
| Partie du discours | 6 nom propre (titre de poème) [Liste complète] |
| Vocabulaire | 7 Littérature: poèmes |
| Auteur |
8 Razakandraina Jean Verdi Salomon |
| Texte complet |
9 10 Moa ianao tsy teo an-tratrako, ary efa sambatra aho 11 Namolivoly ny takolako teo an-daingon-tavanao 12 Ary azoko natao ny nioty anao an-taho 13 Ry Voninkazo fanaperana, eny azoko natao. 14 Eny azoko natao, tsy ho nandà ianao 15 Efa niaraka nihovitra ny fanahy mifankatia 16 Nefa tsy nioty aho ny itiavako anao 17 Dia ny hanitrao tsy fantatro, no nofisiko doria, 18 Fa ny hanitrao tsy fantatro, ao anatin’ny vinaniko 19 Dia nivoatra hifandrindra amin’ny nofinofy mamiko 20 Ao aho, mianoka ao, mianoka ao doria, doria. 21 Tsy nioty aho, ary tsy hioty anao 22 Aoka ho zava-miafina amiko, izay rehetra aminao 23 Ndrao hanony ny hetahetako, ny hetahetako fitia. |
| Mis à jour le 2025/11/17 |
|