|
|
|
|

Entrée (1/2)1  indro
Partie du discours  2  adverbe [Liste complète]
Tous les mots composés 
Explications en malgache  4  [1.1] Enti-manondro olona na zavatra tokana eo akaiky na tazana tsy lavitra, ka tahaka ny atolotra mihitsy aza: Ry sakaiza, indro ny reninao
Explications en anglais  5  [1.2] behold! Lo! Here! This is it! See indry.
6  [1.7] behold! look! there he (she, it) is!
Explications en français  7  [1.3#280] voici, voilà
8  [1.8] le (la) voilà
Exemples  9  [2.4] indro ny volanao.
10  [2.298] indro avereno izy!

Entrée (2/2)11  Indro
Partie du discours  12  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Mots élémentaires  13  indro
Vocabulaire  14  Littérature: poèmes
Auteur  15  Razakandraina Jean Verdi Salomon
Texte complet 
16  Indro ny Zanakavavin’ny Alina 17  Hiroboka anatin’ny Lanitra lalina… 18  ‘Ndeha handro izy iny…
19  Ny volony lava toa setroka oly, 20  Ny maso baliakany toa hanangoly… 21  Mandrendri-bahiny!…
22  Mba mahina angaha sao misy mahita 23  Ka miherika im-polo…, kinanjo eny am-pita 24  dia indro tokoa…
25  Ingahy masoandro misalotra mena 26  malaina handao an’ity fijerena 27  An-dRavolana soa!…
28  Dia indro fa nihaona ny masony roa 29  Ka menatra indrindra Ravolana soa 30  Noraisiny haingana
31  ‘lay rahona kely mba sendra nandalo 32  ho enti-manafy an’ity tena mimalo 33  tsy ho hita mivaingana…
34  Nandrasany teo ny hiangan’i Mazava… 35  Vao ‘zay izy sahy nampiseho ny tava! 36  …Dia tena nitranga!
37  Nisosa malako, nandeha nilomano 38  namaky ny ony ‘zay manganohano: 39  Ny lanitra manga!

Anagrammes  40  indro, Indro, ondry

Mis à jour le 2025/08/22