|
|
|
|

Entrée1  Feo mahery
Partie du discours  2  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Mots élémentaires  3  feo, mahery
Vocabulaire  4  Littérature: poèmes
Auteur  5  Razakandraina Jean Verdi Salomon
Texte complet 
6  Ry fanahy mitanondrika, ry fanahy mahonena, 7  Fantatrao fa tsy eto no toerana doria ... 8  Fa ny aina dia nindramina, ka ho vovoka ny tena ! 9  Kanefa aza very toky, matokia!
10  Ny malalanao anie, raha lasa, mialoha, 11  Fa tsy hoe afoy tanteraka: any hihaonanao aminy! 12  Ny nofo ihany no an'ny tany, hody tany ka ho lo; 13  Ny fanahy kosa tsy eto fa any an-danitra no taniny …
14  Tsy ny fahafatesana eto no atao ho fahavoazana ... 15  Fa ny diso lalam-piainana no ho diso tanindrazana 16  Tsy hihaona amin'ireo malala efa mialoha.
17  Mangidy moa ny fisarahana ka tsy maintsy alahelovana! 18  Ny nofo anefa no afoy fa ho tratram-pahalovana! 19  Miandrandrà fa aza miondrika amin'ity nofo ho lo!

Mis à jour le 2025/05/06