|
|
|
|

Entrée (1/2)1 tafatoetra
Radical  2toetra
Partie du discours  3 participe
Explications en malgache  [1.1]
Explications en français  4qui s'est placé, qui s'est assis. [1.3]
Exemples  5 Taona betsaka taoriana izany, nony efa tafatoetra tsara ny fanjaka' ny, dia nihevitra hamely ny tompon-tany izy. [2.48]

Entrée (2/2)6 Tafatoetra
Mots élémentaires  7tafatoetra
Partie du discours  8 nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Vocabulaire  9 Littérature: poèmes
Auteur  10Razakandraina Jean Verdi Salomon
Texte complet  11 Tafatoetra ao am-poko miaraka aminao androany,
12 Ny hasambara-nokatsahiko hiononako eto an-tany!
13 Ny hatsaran-tarehy nohiraiko sy ny bika nokatsahiko
14 Tsy alaiko noho izay hitako aminao navahiko …

15 Sodokan’eritreritra aho izay elabe izay …
16 Hetahetan’ny tanteraka, afo mampiolomay
17 No nandoro ny fisainako! ‘zay nenjehiko kanefa
18 Moa tsy volavolam-bika tsy haharitra rehefa?

19 Fa ny hitako aminao dia ny vatosoa miafina;
20 Perla mamirapiratra, satry foana hotarafina
21 Fa mampita hazavana mampionona fanahy …

22 Tia ny endrikao aho, mamkamamy anao tanteraka;
23 Nefa mbola ambony lavitra, manan-kery haninteraka
24 Ny fanahy atolotrao hiara-tsambatra amin’ny ahy!

Anagrammes  25 Tafatoetra, tafatoetra

Mis à jour le 2025/11/06