|
|
|
|

Index

Proverbes : sompitra

Proverbe 1Ahoana no reraka am-pototry ny sompitra? [2.558]

Proverbe 2Akoho ambony sompitra ka mihehy ny efa vory. [2.558]

Proverbe 3Aza manely ny efa vory toy ny akoholahy ambony sompitra. [2.558 #673]
Aza manely vory hoatry ny akoholahy ambony sompitra. [2.415 #2351]
Aza manely vory, ohatra ny akoholahy ambony sompitra. [2.653, 2.974]
Manao akoholahy an-tsompitra manely vory. [2.415 #2385]
Manely vory ohatra ny akoholahy ambony sompitra. [1.1]
Interprétation malgacheEnti-milaza olona faly mandanilany foana ny noharin' ny sasany. [1.1]
Traduction françaiseFaire comme le coq dans le grenier : il disperse ce qui était rassemblé. [2.415 #2385]
N' éparpillez pas ce qui a été rassemblé, comme fait le coq dans la grande corbeille à riz. [2.415 #2351]
Ne pas éparpiller son avoir comme le coq dans un grenier. [2.974 #215]
Interprétation françaiseSe disait des dissipateurs et des gens désordonnés. [2.415 #2385]

Proverbe 4Aza mangetaheta ambony lakana. [2.558 #681]
Aza mangetaheta ambony lakana, na noana manatrika ny sompitra. [2.165 #787]
Mangetaheta ambony lakana. [1.147 #M60, 2.415 #2303]
Mangetaheta ambony lakana, mosarena ambody sompitra. [1.1]
Mangetaheta ambony lakana, noana ambody sompitra. [1.1]
Mangetaheta ambony lakana, noana manatrika ny sompitra. [2.974]
Tsy mety raha mangetaheta ambony lakana, na misento manan-tiana. [2.558 #4634]
Tsy mety raha mangetaheta ambony lakana, na noana manatrika ny sompitra. [2.653 #3454]
Tsy mety raha mangetaheta ambony lakana sy noana amoron-tsompitra. [2.415 #2335]
Tsy mety raha mangetaheta ambony lakana sy noana manatrika ny sompitra. [2.415 #2335]
Interprétation malgacheEnti-milaza olona mitaraina tsy fisiana nefa eo afovoan' ny fananam-be, na koa olona tsy mahay manararaotra ny soa betsaka eo anoloany na efa ilomanosany. [1.1]
Entina milaza tsy fahafaham-po amin' izay misy sy hita eo akaiky. [1.1]
Mihafihafy eo ampovoan' izay rehetra ilaina. [1.1]
Traduction françaiseAvoir soif en pirogue ; avoir faim devant un grenier = souffrir de la privation au milieu de l'abondance. [2.974 #5]
Il ne convient pas d'avoir soif quand on est dans la pirogue, ou faim quand on est devant le grenier à riz. [2.415 #2335]
Il ne faut pas se laisser avoir soif quand on est en pirogue (donc avec de l' eau tout autour), ni avoir faim quand on est devant un grenier. [2.165 #787]
Se priver au milieu de l' abondance c' est comme si on avait soif dans une pirogue. [2.415 #2303]
Interprétation françaiseSe disait des gens qui ont, mais ne veulent pas dépenser. [2.415 #2335]

Proverbe 5Aza noana anatin' ny sompitra. [2.415 #2284]
Traduction françaiseNe souffrez pas de la faim dans le grenier mais profitez de l' abondance. [2.415 #2284]

Proverbe 6Hianareo izao no lakana hisotroan-drano, sompitra hihinanam-bary, tany honenana. [2.415 #201]
Hianareo izao no lakana isotroan-drano, sompitra hihinanam-bary, tany honenana. [2.653 #1068]
Hianareo izao no lakana isotroan-drano, sompitra ihinanam-bary ary tany onenana. [2.558 #1332]
Lakana isotroan-drano, sompitra hihinanam-bary, tany honenana. [2.974 #343]
Traduction françaiseC' est vous, ici présents, qui êtes la pirogue avec laquelle on va boire de l' eau, la grande corbeille qui donne le riz à manger, le pays où l' on habite. [2.415 #201]
Pirogue qui permet de se pencher pour boire, grenier où se trouve la provision de riz, terre d’habitation. [2.974 #343]
Interprétation françaiseParoles des souverains au peuple et formules d' enrouragement. [2.415 #201]

Proverbe 7Mahia am-pototry ny sompitra toa sahafa. [2.558 #1876]

Proverbe 8Sompitra tsy misy vary, ka sady manety trano no mampihambo toetra ny tompony. [2.558 #3943]
Sompitra tsy misy vary : sady manety trano no mampihambo toetra ny tompony. [2.415 #6039, 2.653 #2933]
Traduction françaiseImmense corbeille à riz, vide : non seulement elle encombre la case, mais elle laisse supposer que son maître veut paraître ce qu' il n' est pas. [2.415 #6039]
Interprétation françaiseDouble embarras. [2.415 #6039]

Proverbe 9Vary zato naharon' ny sompitra. [1.1 #32]
Interprétation malgacheEnti-milaza olona samy hafa toerana na fonenana nefa nakamban' ny ra maha-mpihavana. [1.1 #32]

Index