Ramarlah Antoine :
Ny amin' ny finoan' ny Bara
|

efa voalahatry ny vintana daholo, ka izay teraka dia samy manana ny azy.
Noho izany raha teraka ny zaza dia lazain’ny ombiasa miaraka amin'io koa ny ho toetrany, rehefa lehibe izy na ho tsara na ho ratsy.
Roambin’ny folo no isan’ny vintana ka isaky ny vintana tsirairay dia misy anaran’olona roa avy : Ny iray lahy ary iray vavy.
Nefa misy vintana anankiray farany izay manana anaran-javatra 4 ao aminy dia 2 vavy ary 2 lahy.
Dia halahatra eto ary ireo vintana ireo sy ny zaza ateraka aminy, ary ny andro hahaterahana azy hatao indray mijery.
|