Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara |
satria tsy avelan’ny andro alahady hitoetra ela any rahavehivavy fa entiny mianavaratra raha miverina izy - Ny talata andro avy any atsimo, ka raha entina mianatsimo ny vady hakarina amin'io andro io, ka asiana vato kely ao anatin’ny entany dia mila hanadino ny ray aman-dreniny hono izy raha tsy tenenina vao mety hamangy azy - Ny andro alakamisy dia avy any andrefana. Koa raha misy marary ka entina miakandrefana dia maharitra ela hono izy vao sitrana satria tanan’io andro io ka tsy afaka hiverina vetivety - Ny andro zoma avy any atsinanana, koa raha misy olona miady amin'io andro io, ny iray avy any atsinanana, ny iray kosa avy any andrefana dia tsy maintsy hahery hono ilay avy any atsinanana fa azy ny andro, ka izy sy ny andro I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra XI- Farany |