Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara |
koa ny Raevola hanovozany vary ka manao hoe : « Izay fandrahan’ny vavako tsy miala intsony ; izay fandrahako tsy latsaka an-tany ». Manao toy izany tsirairay koa ireo mpianatra. Mandray saoka (sotrobe) indray ny Raevola ka manao teny farany hoe : « Izay saohin’ny vavako manoatra ny saohim-by maranitra ». Manaraka ihany koa ireo mpianatra hatranihatrany. Nony lany ny hanina dia miala teo ny Raevola, ka mikapa indray mandeha ity hazo lehibe ohatra ny vatan’olona ity, ka apetrany eo ny famaky ary izy rehetra asainy hikapa tsirairay io lavaka nokapainy io. Ny tsy fahavoazana io lavaka io dia efa fahadisoana. Ny fahavoazana an’io nefa niotra kely noho ny nataony dia fahadisoana koa. Tsy maintsy ao anatin’io lavaka nasiany io ihany no izy. Ity no fanadinana faharoa sady fa [rany,] I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra XI- Farany |