Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara |
[hiari] tra sy hanantanteraka izay rehetra momba ny fianarana ao. Koa dia ho raisina izy ireo amin'ny andro izay heveriny ho andro soa. Raha tonga ilay fotoana dia raisina ireo, ary toy izao no fomba arahina ny amin'ny fandraisana ireo ho mpianatra. Vonoina ny akoholahy mena, ny rany tetitetenan’izy rehetra amin'ny handriny. Ny tànany havanana asiana vakam-potsy mba hahaizany mandray sy manondro ny zavatra hianarana, ka tsy hampaninona azy. Soratana amin'ny hazo fisaka (tokony ho roa metatra ny halavany ary roan-jehy ny sakany) ny zavatra hianarana. Taniravo sy tanimena ary arina no anoratana azy eo. « Fafa » no ataony anaran’io hazo io. Ny nampianatra hatramin’izao dia atao hoe : Raevola, ary ny mpianatra atao hoe : Mpianatsasy. Tsy maintsy manokana ny tenany I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra XI- Farany |