Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara |
Ilay fanjakana kely (tompo menakely ) ao avaratr’Ivohibe atao hoe ; Manarahaka ity dia ao an-tampon’ny tendrombohitra atao hoe : Irokà, izao no fanaovany. Ny mpanjaka samihafa any amin'ny tany misy azy avy dia samy manao amin'izay tendrombohitra tiany hanaovana avy. Nony hariva dia midina avy teny izy ireo amim-panantenana hahazo ranonorana. Mahagaga tokoa anefa ny fitondran’Andriamanitra ny baribarianina fa indraindray raha mbola eny an-tampon’ny tendrombohitra ihany izy dia mifofofofo mafy ny rivotra, mifamanivany ny rahona ka mitresatresaka ny varatra dia midina izy ireo ka mbola tsy tonga an-tanàna akory dia latsaka ny ranonorana. Nefa matetika dia herin’andro na iray volana aorian’izany vao latsaka ny ranonorana. I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra XI- Farany |