Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara |
[dia manao ilay] ohabolana hoe : 1- « Kinia an’olo, jaka an-Janahary » (fikasana an’olombelona, lahatra an’Andriamanitra). Ny tsy ahazoana manambaka ny adala hoe : 2- “Ny maala no tsy fitahy, ny Zanahary no atahora ». Ny marary nasian’ny ombiasa ody, nefa tsy sitrana fa maty dia miteny izy hoe : 3 - « Ny Zanahary miditra eo am-baravaran-kely fa ny ombiasa kosa miditra etsy am-baravaram-be”. Ny Zanahary mandray ny ainy avy eo an-doha, fa ny ombiasa kosa mitana ny tenany etsy an-tongotra ; dia mahery ny Zanahary, ka maty ny marary, ary tongany ny ainy. Raha te hampiseho ny mahasamihafa an’Andriamanitra sy ny ombiasa izy, dia miteny hoe : 4- « Ny ombiasa tao am-pon’olona, ny ody tao am-pon-kazo, fa ny Zanahary ao an-tampon’ny lanitra ambony fipetraka, fa ambany fijery». Mitranga amin'izany koa ny finoany ny fisian’Ilay Tsitoha manerana izao rehetra izao. e- Amin'ny angano ataony Saiky manerana ny angano rehetra ataon’ny Bara, indrindra fa ny fanaon’ny vavy [antitra amin'ny zafikeliny] I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra XI- Farany |