Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara |
[fa mora ] ho hita izany. Raha tahiny sarotra anefa ny toaka - fa miankina amin'ny fahabetsahan’ny fary izany, fa indraindray maina ny tany ka tsy mety vanona ny fary - dia azo aterina ho fanatitra koa ny vary, satria antenaina fa tsy hisy olana dia tsy hanam-bary hatao fanatitra na dia kely ihany aza, fa foto-kanina izany. Ary noho izany dia tsy misy olona hiala-tsiny eo anatrehan’Andriamanitra ny amin'ny zavatra hatao fanatitra. Koa dia afaka anao fanatitra arak’izay ananany ny olona rehetra. Ny osy, ondry, kisoa dia tena tsy mba fanao sorona amin'ny Bara velively fa fanevatevana eo anatrehan’Andriamanitra sy ny razana hono ny manao izany ka tsy mba mahazo fitahiana na kely akory aza. Eny, na ny handofo maty amin'ireo zavatra ireo aza dia tsy azo atao, fa mahamenatra amin'ny tany aman-monina, no ananan-tsiny eo anatrehan’Andriamanitra sy ilay maty ny nanao izany ka tena fahadisoana be vava. I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra XI- Farany |