Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara |
[vao sitrana ] ny sasany ao anatin’ny ora 2 na 3 monja dia afaka. Ny sasany dia marary ka dihizina, ireo no atao hoe « Bilo » (salamanga ). Ny salamanga izay manaraka ny sitrapon’ilay fanahy mitondra azy dia sitrana soa rehefa afaka ny fotoana voafetra hampandihizany azy. Nefa misy ny sasany tsy mety manao izay ampanaoviny azy - maro ny zavatra ampanaovan’ireo fanahy ratsy ireo ny olona (bilo) azony - ka anariny aloha, fa nony tsy mety amin’izany dia ampitahoriny biby masiaka ; raha mbola tsy manaraka amin'izay indray dia entiny ao anaty rano lalina sy ny antsana ary ny raiketa ho faty any, fa tsy mety manaraka ny didiny. Ny sasany kosa rehefa tsy mety ny ataony, dia asainy mandray antsy ka ampandidiny ny tendan’izy tenany ka maty. Izany no asan’itony fanahy ratsy itony ka tena mahatsiravina ; ary ny olona voany dia mitolona amin'ny rivotra [sy ny fanahy ratsy] I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra XI- Farany |