<- -> |
[King James Bible] Book of Daniel |
[Baiboly 1865] Daniela |
[Baiboly Katolika] Daniely |
[Bible de Jérusalem] Livre de Daniel |
|||||||||||||||
<-
-> |
|
||||||||||||||||||
Dan / Da 13:1 | Nisy lehilahy anankiray, atao hoe Joakima, nonina tao Babilona; | ||||||||||||||||||
Dan / Da 13:2 | nanambady vehivavy anankiray, atao hoe Sozana, zanakavavin' i Helkiasa, sady tsara tarehy tokoa, no natahotra an' Andriamanitra, | ||||||||||||||||||
Dan / Da 13:3 | satria olo-marina rainy aman-dreniny, ka nampianatra ireo zanany, araka ny lalàn' i Moizy. | ||||||||||||||||||
Dan / Da 13:4 | Mpanankarem-be io Joakima io, ary nanana zaridaina teo akaikin' ny tranony izy, ary be ny Jody mankao aminy, satria izy no manan-kaja indrindra tamin' izy rehetra ireo. | ||||||||||||||||||
Dan / Da 13:5 | Tamin' izay taona izay, dia notendrena ho mpitsara ny loholona roa lahy tamin' ny vahoaka; ireo no nitenenan' ny Mpampianatra nataony hoe: Ireo anti-dahy, izay mpitsara ka toa mitondra ny vahoaka, no nivoahan' ny faharatsiana avy ao Babilona. | ||||||||||||||||||
Dan / Da 13:6 | Ao an-tranon' i Joakima no falehan' izy ireo, ary ny olona rehetra manan' ady dia manatona azy. | ||||||||||||||||||
Dan / Da 13:7 | Tokony ho amin' ny misasak' andro, rahefa lasa ny vahoaka, Sozana kosa niditra tao anatin' ny zaridain' ny lahy ka nitsangatsangana tao. | ||||||||||||||||||
Dan / Da 13:8 | Hitan' ireto anti-dahy roa lahy izy, niditra sy nitsangatsangana ao isan' andro, ka velom-panirian-dratsy azy mafy izy ireo: | ||||||||||||||||||
Dan / Da 13:9 | nosimbany ny sainy ary naviliny tsy hahita ny lanitra ny masony sy tsy hahatsiaro izay fitsarana marin' Andriamanitra. | ||||||||||||||||||
Dan / Da 13:10 | Koa samy voan' ny fitiavana an-drazazavavy izy ireo, kanefa tsy nifampilaza ny fijaliana mafy nanjo azy; | ||||||||||||||||||
Dan / Da 13:11 | satria samy menatra izy ireo ny hifamosaka ny filan-dratsy nitaona azy hiaraka amin-drazazavavy. | ||||||||||||||||||
Dan / Da 13:12 | Nitsikilo fatratra an-drazazavavy isan' andro ny masony hahitany azy, dia nifampilaza hoe: | ||||||||||||||||||
Dan / Da 13:13 | Andeha hody isika, fa fotoana fisakafoanana izao. Dia nivoaka samy naningana izy. | ||||||||||||||||||
Dan / Da 13:14 | Kanjo tafaverina indray izy ireo ka tafahoana, dia nifanontany ny antony iverenany eo, vao samy vaky milaza ity fanirian-dratsiny avy izy ireo, vao nifanaiky ny amin' ny fotoana mety hahitany azy mitokana. | ||||||||||||||||||
Dan / Da 13:15 | Eo am-pikendrena izay fotoana mety indrindra izy ireo indro Sozana niditra tao anaty zaridaina toy ny nataony omaly sy afakomaly, tsy narahan' ny olona hafa-tsy ankizivavy roa, fa te-handro tao anaty zaridaina izy, satria nafana ny andro. | ||||||||||||||||||
Dan / Da 13:16 | Tsy nisy olona tao, hafa-tsy iretsy anti-dahy niery sy nikendry azy. | ||||||||||||||||||
Dan / Da 13:17 | Dia hoy razazavavy tamin' ireo ankizivavy: Itondray diloilo manitra sy menaka fanosorana aho; ary hidio ny vavahadin' ny zaridaina fa handro aho. | ||||||||||||||||||
Dan / Da 13:18 | Nataon' ireo izay nasain' i Sozana nataony; ka nony voahidiny ny vavahadin' ny zaridaina dia nivoaka tamin' ny vavahady anankiray teo ivoho izy, haka ny zavatra nilaina tamin' izy ireo; tsy fantany fa miery ao anaty zaridaina iretsy anti-dahy. | ||||||||||||||||||
Dan / Da 13:19 | Vao lasa ireo ankizivavy, dia nitsangana izy roa lahy, nidodododo nankeo amin' i Sozana, ka nanao taminy hoe: | ||||||||||||||||||
Dan / Da 13:20 | Hitanao fa mihidy ny vavahadin' ny zaridaina, tsy misy mahita antsika, ary izahay mirehi-pitiavana anao; koe ekeo ny fanirianay, meteza mba ho anay. | ||||||||||||||||||
Dan / Da 13:21 | Fa raha mandà kosa hianao dia hitsangan-ko vavolombelona miampanga anao izahay, hilaza fa nisy tovolahy anankiray nomba anao ka izany no namerenanao an' ireo ankizivavy. | ||||||||||||||||||
Dan / Da 13:22 | Nisento Sozana ka nanao hoe: Latsaka an-katerena mafy aho avy hatraiza hatraiza: hanao izany moa aho, fahafatesana ho ahy izany; tsy hanao izany indray, tsy afa-mandositra ny tànanareo. | ||||||||||||||||||
Dan / Da 13:23 | Aleoko anefa tsy nanao ratsy azon' ny tànanareo; toy izay hanota eo anatrehan' ny Tompo. | ||||||||||||||||||
Dan / Da 13:24 | Dia niantso mafy izy; fa mba niantsoantso hamely azy koa, ireto anti-dahy; | ||||||||||||||||||
Dan / Da 13:25 | sady nihazakazaka namoha ny vavahadin' ny zaridaina ny iray amin' izy ireo. | ||||||||||||||||||
Dan / Da 13:26 | Vao nandre ny antsoantso avy any anaty saha ireo mpanompo tao an-trano, dia nidodododo niditra ny vavahady tao ivoho hizaha izay inona ao. | ||||||||||||||||||
Dan / Da 13:27 | Nony nilazalaza ny toe-draharaha ireto anti-dahy dia menatra mafy ireto mpanompo, fa tsy mbola nisy nilaza zavatra toy izany, ny amin' i Sozana, na iza na iza. | ||||||||||||||||||
Dan / Da 13:28 | Ny ampitson' iny, rahefa tafavory tao amin' i Joakima vadin' i Sozana ny vahoaka, dia tonga tao koa ireto anti-dahy roa lahy, efa feno hevi-dratsy hamelezana an-drazazavavy mba hahafaty azy. | ||||||||||||||||||
Dan / Da 13:29 | Hoy izy ireo teo anatrehan' ny vahoaka: Ampanalao Sozana, zanak' i Helkiasa sy vadin' i Joakima. Dia naniraka haka azy niaraka tamin' izay ny olona. | ||||||||||||||||||
Dan / Da 13:30 | Dia tonga razazavavy nomban' ny ray aman-dreniny sy ireo zanany lahy, ary ny havany rehetra. | ||||||||||||||||||
Dan / Da 13:31 | Fatratra ny endrik' i Sozana; ary tsara tarehy aoka izany izy. | ||||||||||||||||||
Dan / Da 13:32 | Nivoaly izy, nefa nasain' ireto mpitsara ratsy fanahy nesorina taminy ny voaliny, mba hilomanosany amin' ny hatsaran-tarehiny. | ||||||||||||||||||
Dan / Da 13:33 | Fa ny fianakaviany rehetra mbamin' izay nahalala azy kosa, nandatsa-dranomaso avokoa. | ||||||||||||||||||
Dan / Da 13:34 | Dia nitsangana teo afovoan' ny vahoaka ireto anti-dahy roa lahy, nametra-tànana tamin' ny lohan-drazazavavy; | ||||||||||||||||||
Dan / Da 13:35 | izy kosa, sady nitomany no niandrandra ny lanitra, satria natoky ny Tompo izy. | ||||||||||||||||||
Dan / Da 13:36 | Ary hoy ireto anti-dahy: Raha nitsangatsangana tao anaty zaridaina izahay dia honjohonjonay ihany, indro izy niditra, narahin' ankizivavy roa; ka nasainy nohidiana ny vavahadin' ny zaridaina dia naveriny ireo ankizivavy roa ireo. | ||||||||||||||||||
Dan / Da 13:37 | Ary nisy tovolahy anankiray efa namitsaka tao, nanatona azy, dia nanao ratsy taminy. | ||||||||||||||||||
Dan / Da 13:38 | Tao anjoron' ny zaridaina izahay, fa rahefa nahita izany heloka izany dia niroatra nankeo amin' izy ireo, ka tratranay tamin' izany fahavetavetana izany izy. | ||||||||||||||||||
Dan / Da 13:39 | Tsy azonay nosamborina ilay tovolahy, fa matanjaka noho izahay, ka novohany ny vavahady dia nitsoaka izy. | ||||||||||||||||||
Dan / Da 13:40 | Razazavavy kosa, nony azonay, nanontanianay hoe: iza iny tovolahy iny, nefa tsy nety nilaza taminay izy. Izany no filazanay marina. | ||||||||||||||||||
Dan / Da 13:41 | Nino izany ny be sy ny maro, satria anti-dahy ireo sady mpitsara ny vahoaka, ka dia noheloin' izy ireo ho faty razazavavy. | ||||||||||||||||||
Dan / Da 13:42 | Tamin' izay Sozana niantso tamin' ny feo mahery nanao hoe: Ry Andriamanitra mandrakizay ô, hianao no mahalala ny miafina sy mahafantatra ny zavatra rehetra alohan' ny ahatongavany aza, | ||||||||||||||||||
Dan / Da 13:43 | fantatrao fa lainga no niampangan' izy ireo ahy, ary indro aho fa maty, nefa izay noforoniny an-kasomparana hamelezana ahy, tsy misy nataoko akory. | ||||||||||||||||||
Dan / Da 13:44 | Nohenoin' ny Tompo ny feony. | ||||||||||||||||||
Dan / Da 13:45 | Ary raha ilay nitondra azy hovonoina iny ny olona, Andriamanitra kosa nanaitra ny fanahy masin' ny zazalahy anankiray, atao hoe Daniely. | ||||||||||||||||||
Dan / Da 13:46 | Niantso tamin' ny feo avo io nanao hoe: Raha izaho dia afa-tsiny amin' ny ran' io vehivavy io. | ||||||||||||||||||
Dan / Da 13:47 | Niherika nankany aminy avokoa ny vahoaka, sady nanao taminy hoe: Inona no hevitr' izany teny lazainao izany? | ||||||||||||||||||
Dan / Da 13:48 | Dia nijoro tao afovoan' ny vahoaka Daniely, nilaza hoe: Hay va re adala toy izany hianareo, ry zanak' Israely, ka hampamono ny zanakavavin' Israely, nefa tsy mbola namototra na nikaroka izay marina hianareo? | ||||||||||||||||||
Dan / Da 13:49 | Miverena ho any amin' ny trano fitsarana, fa lainga no niampangana azy io. | ||||||||||||||||||
Dan / Da 13:50 | Dia niverina faingana ny vahoaka ary hoy ny loholona tamin' i Daniely: Avia, hiara-mipetraka aminay hianao, ary aposahy ny hevitra, fa efa nomen' Andriamanitra anao ny voninahitry ny fahanterana. | ||||||||||||||||||
Dan / Da 13:51 | Ka hoy Daniely tamin' ny vahoaka: Saraho hifanalavitra izy roa lahy, fa hotsaraiko izy. | ||||||||||||||||||
Dan / Da 13:52 | Nony tafasaraka izy ireo, nantsoin' i Daniely ny anankiray, dia hoy izy taminy: Ry olona nihantitra tamin' ny fanaovan-dratsy ô, indreo hifototra aminao ny fahotana nataonao izay ela izay; | ||||||||||||||||||
Dan / Da 13:53 | hianao efa namoaka fitsarana tsy marina, nanameloka ny tsy manan-tsiny, ary nandefa ny meloka; nefa hoy ny Tompo hoe: Aza mampamono ny tsy manan-tsiny sy ny marina. | ||||||||||||||||||
Dan / Da 13:54 | Ka raha nahita an-drazazavavy ary hianao, dia lazao hoe: teo ambany hazo inona no niresaka izy ireo? Hoy ny navaliny hoe: Teo ambany lentisika. | ||||||||||||||||||
Dan / Da 13:55 | Dia hoy Daniely: Izany tokoa fa lainga lazainao izany hahafaty anao, fa vonon-kanataka anao hisasaka ny anjelin' Andriamanitra, izay efa nahazo teny tamin' Andriamanitra sahady. | ||||||||||||||||||
Dan / Da 13:56 | Nony nampihataka an' io izy, nasainy hampidirina indray ilay anankiray, ka hoy izy taminy: Ry taranak' i Kanaana, fa tsy mba taranak' i Jodà ô, sodokan' ny hatsaran-tarehim-behivavy hianao; ary voasimban' ny filan-dratsy ny fonao. | ||||||||||||||||||
Dan / Da 13:57 | Izany no nataonareo tamin' ny zanakavavin' Israely; ary izy ireo, noho ny tahony anareo, dia niresaka taminareo; fa ity zanakavavin' i Jodà kosa tsy mba nety nandefitra izay faharatsianareo akory. | ||||||||||||||||||
Dan / Da 13:58 | Koa mba lazao amiko ankehitriny hoe: teo ambany hazo inona moa no tratranao niresaka izy ireo? Hoy izy: Teo ambany oaka. | ||||||||||||||||||
Dan / Da 13:59 | Ka hoy Daniely taminy: Izany tokoa, fa lainga lazainao izany, hahafaty anao; fa efa miandry ny fotoana hamakiany anao hisasaka ny anjelin' ny Tompo, mitan-tsabatra, hamono anareo. | ||||||||||||||||||
Dan / Da 13:60 | Dia nihoraka mafy ny vahoaka rehetra tafavory, ary nisaotra an' Andriamanitra, fa mamonjy izay nanantena azy izy. | ||||||||||||||||||
Dan / Da 13:61 | Nony inona nitsangana izy ireo, hamely an' ireto anti-dahy roa lahy, izay nataon' i Daniely vaky lainga, araka ny teny naloaky ny vavany ihany ho miampanga tsy marina; ka ny ratsy notadiaviny hatao tamin' ny namany ihany, no nataony tamin' izy roa lahy, | ||||||||||||||||||
Dan / Da 13:62 | mba hahatanteraka ny lalàn' i Moizy; dia novonoiny ho faty izy ireo ary ny rà tsy manan-tsiny dia voavonjy tamin' izany andro izany. Nidera an' Andriamanitra noho ny amin' i Sozana zanany vavy. | ||||||||||||||||||
Dan / Da 13:63 | Helkiasa sy ny vadiny, mbamin' i Joakima vadin-drazazavavy, sy ny havany rehetra, satria tsy nahitana zava-mahafa-baraka kely akory razazavavy. | ||||||||||||||||||
Dan / Da 13:64 | Ary tonga nalaza teo anatrehan' ny vahoaka Daniely hatramin' izany andro izany, ka hatratý aorian' izany koa. | ||||||||||||||||||
Dan / Da 13:65 | Nony voaangona tany amin' ny razany, Astiaza mpanjaka, dia Syrosa, ilay Persa, no nandray ny fanjakana. | ||||||||||||||||||
<-
-> |
|
||||||||||||||||||
<- -> |
[King James Bible] Book of Daniel |
[Baiboly 1865] Daniela |
[Baiboly Katolika] Daniely |
[Bible de Jérusalem] Livre de Daniel |