<- -> |
[King James Bible] 1st Book of Kings |
[Baiboly 1865] 1 Mpanjaka |
[Baiboly Katolika] Mpanjaka I |
[Bible de Jérusalem] 1er Livre des Rois |
|||||||||||||||||||||||
<-
-> |
|
||||||||||||||||||||||||||
1Mp 7:1 | But |
Ary telo ambin' ny folo taona no nanaovan' i Solomona ny lapany, dia vita. | Telo ambin' ny folo taona no nanaovan' i Salomona ny tranony, dia vitany izy manontolo. | Quant à son palais, |
|||||||||||||||||||||||
1Mp 7:2 | He built also the house of the forest of |
Fa nanao ilay trano Alan' i Libanona izy: zato hakiho ny lavany, dimam-polo hakiho ny sakany, ary telo-polo hakiho ny hahavony, teo ambonin' ny andry sedera efatra andalana mbamin' ny sedera rairainy teo ambonin' ny andry. | Nanao ilay trano Alan' i Libàna izy, ka zato hakiho ny lavany, dimam-polo hakiho ny sakany, telopolo hakiho ny hahavony: andry sedera efatra andàlana no nanohana azy, ary rairainy sedera no tambonin' ny andry. | Il construisit la Maison de la |
|||||||||||||||||||||||
1Mp 7:3 | And it was covered with cedar above upon the beams, that lay on forty five pillars, fifteen in a row. | Ary ireo efi-trano teo ambonin' ny andry notafoany hazo sedera; ary ny isany dia dimy ambin' ny folo isan' andalana, ka dimy amby efa-polo izy rehetra. | Hazo sedera no natafony ny trano tambonin' ny efi-trano izay ao ambonin' ny andry, dimy amby efapolo ny efi-trano fa dimy ambin' ny folo isan' andàlana izy. | Elle était lambrissée de cèdre à la partie supérieure jusqu' aux planches qui étaient sur les colonnes. | |||||||||||||||||||||||
1Mp 7:4 | And there were windows in three rows, and light was against light in three ranks. | Ary ny rairainy dia telo andalana, ary ny varavarankely dia nifanandrify intelo. | Telo andàlana ny efi-trano; intelo mifanandrify koa ny varavarankely. | Il y avait trois rangées d' architraves, quarante-cinq en tout, soit quinze par rangée, se faisant vis-à-vis trois fois. | |||||||||||||||||||||||
1Mp 7:5 | And all the doors and posts were square, with the windows: and light was against light in three ranks. | Ary ny varavarana rehetra sy ny tolana dia natao efa-joro; ary ny varavarankely nifanandrify intelo. | Hazo fisaka efajoro avokoa no nanaovana ny varavarana rehetra sy ny tolana rehetra ary nifanandrify intelo ny varavarankely. | Toutes les portes et les montants étaient à cadre rectangulaire, se faisant vis-à-vis de face, trois fois. | |||||||||||||||||||||||
1Mp 7:6 | And he made a porch of pillars; the length thereof was fifty cubits, and the breadth thereof thirty cubits: and the porch was before them: and the other pillars and the thick beam were before them. | Ary dia nataony koa ny lavarangana maro andry; dimam-polo hakiho ny lavany, ary telo-polo hakiho ny sakany; nisy koa ny lavarangana fidirana teo anoloany; ary nisy andry sy tokonana koa teo anoloan' io. | Nanao ny trano heva misy andriny izy: dimampolo hakiho ny lavany, telopolo hakiho ny sakany, ary teo anoloan' io koa nasiany trano heva, nisy andriny sy ambaratonga teo anoloan' ireo. | Il fit le vestibule des colonnes, cinquante coudées de long et trente coudées de large... avec un porche par-devant. | |||||||||||||||||||||||
1Mp 7:7 | Then he made a porch for the throne where he might judge, even the porch of judgment: and it was covered with cedar from one side of the floor to the other. | Ary nataony koa ny lavarangana hitoeran' ny seza fiandrianana izay hitsarany, dia ny lavarangana fitsarana; ary nataony hazo sedera avokoa ny gorodona rehetra. | Nanao ny trano hevan' ny seza fiandrianana koa izy, izay nanaovany fitsarana, dia ny trano hevan' ny fitsarana, dia nopetahany hazo sedera hatramin' ny tokotany ka hatramin' ny valin-drihana. | Il fit le vestibule du trône, où il rendait la justice, c' est le vestibule du jugement ; il était lambrissé de cèdre depuis le sol jusqu' aux poutres. | |||||||||||||||||||||||
1Mp 7:8 | And his house where he dwelt had another court within the porch, which was of the like work. |
Ary ny tranony izay nitoerany teo amin' ny kianja hafa tao anatinatiny kokoa noho ny lavarangana fidirana dia nitovy rafitra tamin' io koa. Ary Solomona nanao trano tahaka izany lavarangana fidirana izany koa ho an' ny zanakavavin' i Farao, izay efa nampakariny ho vady. | Ny trano nitoerany dia nataony torak' izany koa, tao amin' ny kianja anankiray manarakaraka ny trano heva, ary nanao trano mitovy amin' io trano heva io koa izy, ho an' ny zanakavavin' i Faraona izay nampakarin' i Salomona ho vady. | Son habitation privée, dans l' autre cour et à l' intérieur par rapport au vestibule, avait la même façon ; il y avait aussi une maison, semblable à ce vestibule, pour la fille de |
|||||||||||||||||||||||
1Mp 7:9 | All these were of costly stones, according to the measures of hewed stones, sawed with saws, within and without, even from the foundation unto the coping, and so on the outside toward the great court. | Izany rehetra izany dia vato tsara avokoa voapaika araka ny marika, sady voatsofa ny atiny sy ny ivelany, hatramin' ny fanambaniny ka hatramin' ny tongolany, ary teo ivelany koa hatramin' ny kianja lehibe. | Ny nandrafetana izany rehetra izany, dia vato be vidy avokoa, voapaika ara-marika, voatsofa tamin' ny tsofa, na atiny na ivelany, hatratý am-potony ka hatrany amin' ny koronosy, ary teo ivelany koa hatrany amin' ny tokotany lehibe. | Tous ces bâtiments étaient en pierres de choix, à la mesure des pierres de taille, parées à la scie au-dedans et au-dehors, depuis le fondement jusqu' aux bois de chaînage - | |||||||||||||||||||||||
1Mp 7:10 | And the foundation was of costly stones, even great stones, stones of ten cubits, and stones of eight cubits. | Ary vato tsara sady lehibe ny fanorenany, dia vato folo hakiho sy valo hakiho. | Ny fototra koa natao tamin' ny vato be vidy, vato lehibe, vato folo hakiho sy valo hakiho. | ils avaient pour fondations des pierres de choix, de grandes pierres de dix et huit coudées, | |||||||||||||||||||||||
1Mp 7:11 | And above were costly stones, after the measures of hewed stones, and cedars. | Ary teo ambony nisy vato tsara voapaika araka ny marika sy hazo sedera; | Teo ambony dia nisy vato be vidy koa voapaika ara-marika, ary hazo sedera. | et, au-dessus, des pierres de choix, à la mesure des pierres de taille, et du cèdre -, | |||||||||||||||||||||||
1Mp 7:12 | And the great court round about was with three rows of hewed stones, and a row of cedar beams, both for the inner court of the house of the |
ary manodidina ny kianja lehibe dia nasiany vato voapaika telo andalana sy hazo sedera iray andalana, tahaka ny amin' ny kianja anatiny amin' ny tranon' i Jehovah sy amin' ny lavarangana fidirana amin' ny trano. | Amin' ny manodidina ny tokotany lehibe, dia nisy vato voapaika telo andàlana sy sakamandimby sedera iray andàlana tahaka ny kianja eo anatin' ny tranon' ny Tompo, sy tahaka ny trano hevan' ny trano. | et à l' extérieur, la grande cour avait, à l' entour, trois assises de pierres de taille et une assise de madriers de cèdre, de même pour la cour intérieure du Temple de |
|||||||||||||||||||||||
1Mp 7:13 | And king |
Ary Solomona mpanjaka naniraka haka an' i Hirama avy tany Tyro. | Naniraka haka an' i Hirama avy any Tira Salomona. | ||||||||||||||||||||||||
1Mp 7:14 | He was a widow' s son of the tribe of |
Zanaky ny vehivavy mpitondra-tena tamin' ny firenen' i Naftaly izy, nefa rainy dia lehilahy Tyriana, mpiasa varahina; feno fahendrena sy fahiratan-tsaina ary fahaizana izy hahavitany ny asa varahina rehetra. Dia tonga tao amin' i Solomona mpanjaka Hirama ka nanao izay asa rehetra tao aminy. | Zanaky ny vehivavy mpitondratena anankiray amin' ny fokon' i Neftalì izy io, fa ny rainy no Tiriana, mpanefy varahina. Feno fahendrena amam-pahiratan-tsaina sy fahakingana izy mba hanao ny asa isan-karazany rehetra momba ny varahina. Dia tonga tao amin' i Salomona mpanjaka izy, ka nahavita ny asany rehetra. | c'était le fils d' une veuve de la tribu de |
|||||||||||||||||||||||
1Mp 7:15 | For he cast two pillars of brass, of eighteen cubits high apiece: and a line of twelve cubits did compass either of them about. | Dia nanao ny andry varahina roa izy: valo ambin' ny folo hakiho avy ny hahavony, ary roa ambin' ny folo hakiho ny manodidina azy. | Nanao ny andry varahina roa izy, valo ambin' ny folo hakiho ny hahavon' ny andry iray, ary kofehy roa ambin' ny folo hakiho no maharefy ny habenin' ny andry iray hafa manodidina azy. | Il coula les deux colonnes de bronze ; la hauteur d' une colonne était de dix-huit coudées et un fil de douze coudées en mesurait le tour ; de même la seconde colonne. | |||||||||||||||||||||||
1Mp 7:16 | And he made two chapiters of molten brass, to set upon the tops of the pillars: the height of the one chapiter was five cubits, and the height of the other chapiter was five cubits: | Ary nanao kapitaly varahina roa anidina izy hatao eo amin' ny tampon' ny andry: dimy hakiho avy ny hahavony, | Nanao koronosy varahina anidina roa izy teo an-tampon' ireo andry; dimy hakiho ny hahavon' ny koronosy iray, ary dimy hakiho ny hahavon' ny koronosy hafa. | Il fit deux chapiteaux coulés en bronze destinés au sommet des colonnes ; la hauteur d' un chapiteau était de cinq coudées et la hauteur de l' autre chapiteau était de cinq coudées. | |||||||||||||||||||||||
1Mp 7:17 | And nets of checker work, and wreaths of chain work, for the chapiters which were upon the top of the pillars; seven for the one chapiter, and seven for the other chapiter. | ary harato sy fesitona miolana amin' ny kapitaly izay teo amin' ny tampon' ny andry avy: fito amin' ny kapitaly iray, ary fito koa amin' ny kapitaly iray. | Nasiany makarakara mitarehin-karato sy tanjomiolaka mitarehin-drojo teo amin' ny koronosy izay teo ambonin' ny tampon' ny andry, ka nasiany fito ny koronosy iray, ary fito ny koronosy hafa. | Il fit deux treillis pour couvrir les deux tores des chapiteaux qui étaient au sommet des colonnes, un treillis pour un chapiteau et un treillis pour l' autre chapiteau. | |||||||||||||||||||||||
1Mp 7:18 | And he made the pillars, and two rows round about upon the one network, to cover the chapiters that were upon the top, with pomegranates: and so did he for the other chapiter. | Ary nanao ny andry izy, ary nisy roa andalana manodidina tamin' ny asa harato iray, hafono ny kapitaly izay teo an-tampon' ny andry; ary toy izany koa no nataony tamin' ny kapitaly iray. | Nasiany voan' ampongabendanitra roa andàlana manodidina ny iray amin' ny harato makarakara, hanarona ny koronosy teo an-tampon' ny andry anankiray, dia nataony toy izany koa ny koronosy anankiray. | Il fit les grenades : il y en avait deux rangées autour de chaque treillis, et de même l' autre chapiteau. | |||||||||||||||||||||||
1Mp 7:19 | And the chapiters that were upon the top of the pillars were of lily work in the porch, four cubits. | Ary ny kapitaly izay teo an-tampon' ny andry dia nataony mitarehim-boninkazo lilia tahaka ny amin' ny lavarangana fidirana, ary efatra hakiho ny hahavony; | Nataony mitarehim-boninkazo lisy, efatra hakiho ny hahavony, ny koronosy ao an-tampon' ny andry teo amin' ny trano heva. | Les chapiteaux qui étaient au sommet des colonnes étaient en forme de fleurs. En tout quatre cents, | |||||||||||||||||||||||
1Mp 7:20 | And the chapiters upon the two pillars had pomegranates also above, over against the belly which was by the network: and the pomegranates were two hundred in rows round about upon the other chapiter. | ary ny kapitaly teo an-tampon' ny andry roa dia teo ambony koa, teo akaikin' ny kibony izay anatin' ny harato; ary nisy sarin' ampongabendanitra roan-jato nifanandalana nanodidina ny kapitaly avy. | Ny koronosy nataingina eo ambonin' ny andry roa dia voahodidina voan' ampongabendanitra roan-jato, eny ambony, anilan' ny mivohitra an-koatra ny harato; voahodidina voan' ampongabendanitra roan-jato mitandahatra koa ny koronosy anankiray. | appliquées contre le noyau qui était derrière le treillis ; il y avait deux cents grenades autour d' un chapiteau, | |||||||||||||||||||||||
1Mp 7:21 | And he set up the pillars in the porch of the temple: and he set up the right pillar, and called the name thereof |
Ary ny andry dia natsangany teo amin' ny lavarangana fidirana amin' ny efitra lehibe: ny andry ankavanana natsangany, ka ny anarany nataony hoe Jakina; ary ny andry ankavia natsangany koa, ka ny anarany nataony hoe Boaza. | Natsangany ny andry tamin' ny trano hevan' ny tempoly, ka natsangany ny andry teo an-kavanana, ka nataony hoe Jakina; dia natsangany ny andry teo an-kavia, ka nataony hoe Booza. | Il dressa les colonnes devant le vestibule du sanctuaire ; il dressa la colonne de droite et lui donna pour nom : |
|||||||||||||||||||||||
1Mp 7:22 | And upon the top of the pillars was lily work: so was the work of the pillars finished. | Ary nisy natao mitarehim-boninkazo lilia teo an-tampon' ny andry. Toy izany no nahavitany ny asa tamin' ny andry. | Teo an-tampon' ny andry dia nisy voan-javatra mitarehim-boninkazo lisy. Toy izany no nahavitan' ny asa momba ireo andry ireo. | Ainsi fut achevée l' oeuvre des colonnes. | |||||||||||||||||||||||
1Mp 7:23 | And he made a molten sea, ten cubits from the one brim to the other: it was round all about, and his height was five cubits: and a line of thirty cubits did compass it round about. | Ary nanao ny tavin-drano an-idina boribory lehibe izy, ka folo hakiho no halehiben' ny vavany ary dimy hakiho ny hahavony, ary telo-polo hakiho ny manodidina azy. | Ary nanao ny ranomasina anidina izy, folo hakiho ny habeny, hatramin' ny molony iray ka hatramin' ny molony iray, boribory ny tenany manontolo, dimy hakiho no hahavony, kofehy telopolo hakiho no naharefy manodidina azy. | Il fit la |
|||||||||||||||||||||||
1Mp 7:24 | And under the brim of it round about there were knops compassing it, ten in a cubit, compassing the sea round about: the knops were cast in two rows, when it was cast. | Ary tambanin' ny molotry ny tavin-drano lehibe manodidina nisy sarim-boantango manodidina azy, folo amin' ny iray hakiho manodidina ny tavin-drano lehibe, ary naidiny ho roa andalana ny sarim-boantango sady niara-nataony an-idina tamin' ny tavin-drano. | Nisy voatango nanodidina azy tambanin' ny molony, folo no tamin' ny iray hakiho, ary roa andàlana izy no nanodidina ny ranomasina manontolo; indray natao anidina taminy ny voatango, ka iray tena taminy. | Il y avait des coloquintes au-dessous de son bord, l' encerclant tout autour : sur trente coudées elles tournaient autour de la |
|||||||||||||||||||||||
1Mp 7:25 | It stood upon twelve oxen, three looking toward the north, and three looking toward the west, and three looking toward the south, and three looking toward the east: and the sea was set above upon them, and all their hinder parts were inward. | Ary ny tavin-drano dia nipetraka tambonin' ny sarin' omby roa ambin' ny folo; ny telo nanatrika ny avaratra, ny telo nanatrika ny andrefana, ny telo nanatrika ny atsimo, ary ny telo nanatrika ny atsinanana; ary ny tavin-drano lehibe dia teo ambonin' ireo, ary niady vody izy rehetra. | Omby roa ambin' ny folo no nanaingenana azy; telo nanatrika ny avaratra, telo nanatrika ny andrefana, telo nanatrika ny atsimo, telo nanatrika ny atsinanana, teo ambonin' izy ireo ny ranomasina; ary ny tapany aoriana rehetra amin' ny vatany dia tao am-povoany. | Elle reposait sur douze boeufs : trois regardaient le nord, trois regardaient l' ouest, trois regardaient le sud et trois regardaient l' est ; la |
|||||||||||||||||||||||
1Mp 7:26 | And it was an hand breadth thick, and the brim thereof was wrought like the brim of a cup, with flowers of lilies: it contained two thousand baths. | Ary ny hateviny dia vodivoam-pelatanana, ary ny molony nataony tahaka ny molotry ny kapoaka, dia tahaka ny vonin' ny lilia; ary nahalany roa arivo bata izy. | Vody voampelatànana no hateviny, sahala amin' ny molo-kapoaka, manahaka ny vonin' ny lisy ny molony: rano roa arivo bata no laniny. | Son |
|||||||||||||||||||||||
1Mp 7:27 | And he made ten bases of brass; four cubits was the length of one base, and four cubits the breadth thereof, and three cubits the height of it. | Ary nanao ny fitoeran-tavin-drano varahina folo izy: efatra hakiho ny lavan' ny anankiray, ary efatra hakiho koa ny sakany, ary telo hakiho ny hahavony. | Nanao ny tongotra varahina folo izy, efatra hakiho avy ny halavany, efatra hakiho ny sakany, ary telo hakiho ny hahavony. | Il fit les dix bases en bronze ; chaque base avait quatre coudées de long, quatre coudées de large et trois coudées de haut. | |||||||||||||||||||||||
1Mp 7:28 | And the work of the bases was on this manner: they had borders, and the borders were between the ledges: | Ary toy izao ny asa amin' ireo fitoeran-tavin-drano ireo: nisy kobany izy, ary ireo kobany ireo dia teo anatin' ny sisiny; | Toy izao no nanaovana ireo tongotra ireo: Natao am-panoa izy, ary niditra teo anelanelan' ny batana ny panoa. | Voici comment elles étaient faites : elles avaient un châssis et des traverses au châssis. | |||||||||||||||||||||||
1Mp 7:29 | And on the borders that were between the ledges were lions, oxen, and cherubims: and upon the ledges there was a base above: and beneath the lions and oxen were certain additions made of thin work. | ary tamin' ny kobany izay nohodidinin' ny sisiny dia nisy sarin-diona sy omby ary kerobima; ary teo ambonin' ny sisiny koa nisy faladiany; ary teo ambanin' ny sarin-diona sy omby nisy fesitona mihantona. | Ka nisy liona sy ombalahy ary kerobima tambonin' ny panoa izay tafiditra anelanelan' ny batana; nisy faladiany tambonin' ny batana, ary nisy tanjomiolaka nihantona tambanin' ny liona sy ombalahy ary kerobima. | Sur les traverses du châssis, il y avait des lions, des taureaux et des chérubins, et au-dessus du châssis, il y avait un support ; en dessous des lions et des taureaux, il y avait des volutes en façon de... | |||||||||||||||||||||||
1Mp 7:30 | And every base had four brasen wheels, and plates of brass: and the four corners thereof had undersetters: under the laver were undersetters molten, at the side of every addition. | Ary isan' ireo fitoeran-tavin-drano ireo nisy kodia varahina efatra sy tanan-kodia varahina, ary ny tongony efatra nisy sorony; teo ambanin' ny tavin-drano no nisy ny sorony anidina manandrify ny fesitona tsirairay. | Isan-tongony iray nisy kodiarana varahina efatra sy lahin-tangerina varahina avy; ka samy nisy faladiany ny tongony, ary ireo faladiany anidina ireo no tambanin' ny fitoeran-drano sy any an-koatry ny tanjomiolaka. | Chaque base avait quatre roues de bronze et des axes de bronze ; ses quatre pieds avaient des |
|||||||||||||||||||||||
1Mp 7:31 | And the mouth of it within the chapiter and above was a cubit: but the mouth thereof was round after the work of the base, a cubit and an half: and also upon the mouth of it were gravings with their borders, foursquare, not round. | Ary ny vavan' ny fitoeran-tavin-drano dia teo anatin' ny kapitaliny, ary mbola nisy iray hakiho teo ambonin' io; ary ny vavany dia hakiho iray sy tapany sady boribory tahaka ny amin' ny faladia, ary tamin' ny vavany koa nisy soratra, ary ny kobany teo aminy dia efajoro, fa tsy boribory. | Tamin' ny tampon' ny tongony sy ao anatiny, nisy ny loaka fandraisana ny fitoeran-drano, iray hakiho no halaliny; boribory izany loaka izany, mitarehina fototr' andry, ary iray hakiho sy sasany ny habeny; ary nisy zavatra voasokitra tamin' izany loaka izany; ny panoa dia efa-joro fa tsy boribory. | Son embouchure, à partir de la croisée des |
|||||||||||||||||||||||
1Mp 7:32 | And under the borders were four wheels; and the axletrees of the wheels were joined to the base: and the height of a wheel was a cubit and half a cubit. | Ary ny kodia efatra dia teo ambanin' ny kobany; ary ny fihazonana ny tanan-kodia dia nikambana tamin' ny fitoeran-tavin-drano ihany; ary hakiho iray sy tapany ny hahavon' ny kodia. | Tambanin' ny panoa ny kodiarana efatra ary niraikitra tamin' ny tongotra ny lahin-tangerin' ny kodiarana, iray hakiho sy sasany avy no hahavon' ny kodiarana. | Les quatre roues étaient sous les traverses. Les tourillons des roues étaient dans la base ; la hauteur des roues était d' une coudée et demie. | |||||||||||||||||||||||
1Mp 7:33 | And the work of the wheels was like the work of a chariot wheel: their axletrees, and their naves, and their felloes, and their spokes, were all molten. | Ary ny fomban' ny kodia dia tahaka ny amin' ny kodian-kalesy: ny tànany sy ny boriboriny manodidina azy sy ny tanamasoandrony ary ny foitrany dia nataony an-idina avokoa. | Natao toy ny kodiaran' ny kalesy ihany ny kodiarana, ary anidina avokoa ny lahin-tangeriny, ny hazon-kodiarany, ny tanan-kodiarany, ary ny foibeny. | La forme des roues était celle d' une roue de char : leurs tourillons, leurs jantes, leurs rais et leurs moyeux, tout était coulé. | |||||||||||||||||||||||
1Mp 7:34 | And there were four undersetters to the four corners of one base: and the undersetters were of the very base itself. | Ary nisy sorony efatra tamin' ny zorony efatra amin' ny fitoeran-tavin-drano iray, sady nitranga avy teo amin' ny fitoeran-tavin-drano ireo. | Nisy faladiany efatra tamin' ny zorony efatry ny tongotra, niray tena tamin' ny tongotra ireo faladia ireo. | Il y avait quatre |
|||||||||||||||||||||||
1Mp 7:35 | And in the top of the base was there a round compass of half a cubit high: and on the top of the base the ledges thereof and the borders thereof were of the same. | Ary teo an-tampon' ny fitoeran-tavin-drano dia nisy boribory manodidina, irain-jehy ny hahavony; ary teo an-tampon' ny fitoeran-tavin-drano koa ny fitombenany sy ny kobany dia natao an-idina iray aminy. | Ny tampon-dohan' ny tongotra dia nisy fehim-barika, ka antsasa-kakiho ny hahavony, ary tao an-tampon' ny tongotra, dia iray tena ihany ny fitehenany sy ny panoany. | Au sommet de la base, il y avait un support d' une demi-coudée de hauteur, à pourtour circulaire ; sur le sommet de la base, il y avait des tenons ; les traverses faisaient corps avec elle. | |||||||||||||||||||||||
1Mp 7:36 | For on the plates of the ledges thereof, and on the borders thereof, he graved cherubims, lions, and palm trees, according to the proportion of every one, and additions round about. | Fa ny koban' ny sorony sy ny kobany hafa nosoratany nasiany sarin' ny kerobima sy liona ary hazo rofia, araka izay nahafeno azy avy, sady nasiany fesitona manodidina. | Ny tavan' ny fitehenany sy ny panoany, dia nisokirany kerobima sy liona ary rofia araka ny halalahan' ny fitoerana voatokana ho azy avy, sady nasiana tanjomiolaka manodidina. | Il grava sur les bandes des chérubins, des lions et des palmettes... et des volutes autour. | |||||||||||||||||||||||
1Mp 7:37 | After this manner he made the ten bases: all of them had one casting, one measure, and one size. | Tahaka izany no nanaovany ny fitoeran-tavin-drano folo: samy natao an-idina avokoa, ary nitovy halehibe sy nitovy tarehy izy. | Toy izany no nanaovany ny tongotra folo, indray natao anidina, iray habe, iray tarehy avokoa izany rehetra izany. | Il fit ainsi les dix bases : même fonte et même mesure pour toutes. | |||||||||||||||||||||||
1Mp 7:38 | Then made he ten lavers of brass: one laver contained forty baths: and every laver was four cubits: and upon every one of the ten bases one laver. | Ary nanao tavin-drano varahina folo koa izy; ny tavin-drano samy nahalany efa-polo bata avy; ary samy efatra hakiho avy ny tavin-drano; ary tavin-drano iray avy no tamin' ny fitoerany folo. | Dia nanao fitoeran-drano varahina folo izy, samy nahalany efapolo bata avy, efatra hakiho ny haben' ny fitoeran-drano avy, samy nitombina tamin' ny tongotra anankiray tamin' ny iray amin' ny tongotra folo. | Il fit dix bassins de bronze, chaque bassin contenait quarante mesures et chaque bassin avait quatre coudées, un bassin sur chaque base pour les dix bases. | |||||||||||||||||||||||
1Mp 7:39 | And he put five bases on the right side of the house, and five on the left side of the house: and he set the sea on the right side of the house eastward over against the south. | Ary nametraka ny fitoeran-tavin-drano dimy teo ankavanan' ny trano izy, ary ny dimy teo ankavian' ny trano, ary ilay tavin-drano lehibe nataony teo ankavanan' ny trano, dia teo atsimo-atsinanana. | Ka toy izao no nandaharany ny tongotra folo: ny dimy nataony teo amin' ny ilan' ny trano an-kavanana, ny dimy kosa nataony teo amin' ny ilan' ny trano an-kavia; ary ny ranomasina nataony teo amin' ny ilan' ny trano an-kavanana, amin' ny atsinanana somary atsimo. | Il plaça les bases, cinq près du côté droit du Temple et cinq près du côté gauche du |
|||||||||||||||||||||||
1Mp 7:40 | And |
Ary Hirama nanao ny tavin-drano sy ny sotron' afo ary ny lovia famafazana; ka dia vitan' i Hirama ny asa rehetra izay nataony ho an' i Solomona mpanjaka ho amin' ny tranon' i Jehovah: | Nanao ny vilany sy ny sotron' afo ary ny kapoaka Hirama. Ary vitan' i Hirama ny asa rehetra nataony ho an' i Salomona mpanjaka, tao amin' ny tranon' Iaveh: | ||||||||||||||||||||||||
1Mp 7:41 | The two pillars, and the two bowls of the chapiters that were on the top of the two pillars; and the two networks, to cover the two bowls of the chapiters which were upon the top of the pillars; | dia ny andry roa sy ny boriboriny roa amin' ny kapitaly izay teny an-tampon' ny andry roa, sy ny harato roa izay hafono ny boriboriny roa amin' ny kapitaly izay teo an-tampon' ny andry avy, | ny andry roa, ny koronosy aman-tsikalany boribory roa teny an-tampon' ny andry, ny harato roa manarona ny tsikalana boribory roa amin' ny koronosy eo an-tampon' ny andry, | deux colonnes ; les deux tores des chapiteaux qui étaient au sommet des colonnes ; les deux treillis pour couvrir les deux tores des chapiteaux qui étaient au sommet des colonnes ; | |||||||||||||||||||||||
1Mp 7:42 | And four hundred pomegranates for the two networks, even two rows of pomegranates for one network, to cover the two bowls of the chapiters that were upon the pillars; | ary ny sarin' ampongabendanitra efa-jato ho amin' ny harato roa, ampongabendanitra roa andalana ho amin' ny harato iray hafono ny boriboriny roa amin' ny kapitaly izay teny an-tampon' ny andry avy, | ny voan' ampongabendanitra efa-jato, tamin' ny harato roa, ampongabendanitra roa andàlana isan-karato, nanarona ny tsikalany boribory roa tamin' ny koronosy teny an-tampon' ny andry. | les quatre cents grenades pour les deux treillis : les grenades de chaque treillis étaient en deux rangées ; | |||||||||||||||||||||||
1Mp 7:43 | And the ten bases, and ten lavers on the bases; | ary ny fitoeran-tavin-drano folo sy ny tavin-drano folo ho eo ambonin' ny fitoerany | Ny tongotra folo sy ny fitoeran-drano folo tambonin' ireo tongotra, | les dix bases et les dix bassins sur les bases ; | |||||||||||||||||||||||
1Mp 7:44 | And one sea, and twelve oxen under the sea; | ary ny tavin-drano lehibe iray sy ny sarin' omby roa ambin' ny folo teo ambaniny. | ny ranomasina sy ny omby roa ambin' ny folo, teo ambanin' ny ranomasina, | la |
|||||||||||||||||||||||
1Mp 7:45 | And the pots, and the shovels, and the basons: and all these vessels, which |
ary ny vilany fandraofan-davenona sy ny sotron' afo ary ny lovia famafazana. Ary ireo fanaka rehetra ireo, izay nataon' i Hirama ho an' i Solomona mpanjaka ho amin' ny tranon' 1 Jehovah, dia varahina manganohano avokoa. | ny tavy sy ny sotron' afo ary ny kapoaka. Varahina manganohano avokoa ireo fanaka nataon' i Hirama ho an' i Salomona ireo, tao amin' ny tranon' ny Tompo. | les vases à cendres, les pelles, les bols à aspersion. Tous ces objets que |
|||||||||||||||||||||||
1Mp 7:46 | In the plain of |
Teo amin' ny tany amoron' i Jordana no nanaovan' ny mpanjaka an-idina azy tamin' ny tanimanga teo anelanelan' i Sokota sy Zaretana. | Tao amin' ny tany lemak' i Jordany, amin' ny tany be tanimanga anelanelan' i Sokota sy Sartana no nasain' ny mpanjaka nanaovana anidina azy. | C' est dans la plaine du |
|||||||||||||||||||||||
1Mp 7:47 | And |
Ary tsy nolanjain' i Solomona ny fanaka rehetra, satria be loatra izy; ary tsy nozahana izay lanjan' ny varahina. | Navelan' i Salomona tamin' izao, fa tsy nolanjaina ireo fanaka rehetra ireo, satria be loatra ka tsy notsapaina ho fantatra marina izay lanjan' ny varahina. | à cause de leur énorme quantité, on ne calcula pas le poids du bronze. | |||||||||||||||||||||||
1Mp 7:48 | And |
Ary Solomona nanao ny fanaka rehetra izay ao amin' ny tranon' i Jehovah: ny alitara volamena sy ny latabatra volamena, izay fitoeran' ny mofo aseho, | Nataon' i Salomona koa ny fanaka hafa rehetra izay tao an-tranon' ny Tompo: ny otely volamena, ny latabatra volamena fametrahana ny mofo alahatra, | ||||||||||||||||||||||||
1Mp 7:49 | And the candlesticks of pure gold, five on the right side, and five on the left, before the oracle, with the flowers, and the lamps, and the tongs of gold, | ary ny fanaovan-jiro, dimy amin' ny ankavanana ary dimy amin' ny ankavia, teo anoloan' ny efitra anatiny, dia samy volamena tsara; ary ny voniny sy ny lela fanaovan-jiro ary ny hetin-jiro dia volamena koa; | ny fanaovan-jiro volamena madio, dimy teo an-kavanana, ary dimy teo an-kavia, teo anoloan' ny orakla, mbamin' ny voniny; ny lela fanaovan-jiro sy ny hetin-jirony volamena, | les chandeliers, cinq à droite et cinq à gauche devant le |
|||||||||||||||||||||||
1Mp 7:50 | And the bowls, and the snuffers, and the basons, and the spoons, and the censers of pure gold; and the hinges of gold, both for the doors of the inner house, the most holy place, and for the doors of the house, to wit, of the temple. | ary ny vilia sy ny antsy sy ny lovia famafazana sy ny lovia kely sy ny fitoeran-davenon-jiro dia volamena tsara; ary ny vavin-tsavily ho amin' ny lela-varavaran' ny efitra anatiny, dia ny fitoerana masina indrindra, sy ho amin' ny lela-varavaran' ny efi-trano lehibe dia volamena avokoa. | ny tavin-drano, ny antsy, ny kapoaka, ny lovia kely, sy ny fanembohana volamena madio, mbamin' ny lahin-tsavily amin' ny varavaran' ny efi-trano anatiny, izany hoe: ny fitoerana masina indrindra, sy amin' ny varavaran' ny trano, izany hoe ny fitoerana masina. | les bassins, les couteaux, les bols à aspersion, les coupes et les encensoirs, en or fin ; les pivots pour les portes de la chambre intérieure - c' est le Saint des |
|||||||||||||||||||||||
1Mp 7:51 | So was ended all the work that king |
Toy izany no nahavitana ny asa nataon' i Solomona mpanjaka ho amin' ny tranon' i Jehovah; ary nampidirin' i Solomona ny zavatra izay efa nohamasinin' i Davida rainy, dia ny volafotsy sy ny volamena ary ny fanaka, sa nataony tao amin' ny rakitry ny tranon' i Jehovah. | Toy izany no nahavitana ny voa-javatra rehetra nataon' i Salomona mpanjaka, tamin' ny tranon' ny Tompo, dia nentin' i Salomona izay rehetra natokan' i Davida rainy, ny volafotsy, ny volamena, sy ny fanaka rehetra, ka napetrany tao amin' ny rakitry ny tranon' ny Tompo. | Alors fut achevé tout le travail que fit le roi |
|||||||||||||||||||||||
<-
-> |
|
||||||||||||||||||||||||||
<- -> |
[King James Bible] 1st Book of Kings |
[Baiboly 1865] 1 Mpanjaka |
[Baiboly Katolika] Mpanjaka I |
[Bible de Jérusalem] 1er Livre des Rois |