Explications en malgache |
4 [1.1][tsodrano] (taloha) Rano nafafy tamin' olona na natao tao am-bava dia notsofina hifafy aminy, ka ny nofafazana tamin' io rano io indrindra dia ny olona marary na ny handeha hivahiny lavitra (ilay tsodrano natao tao am-bava dia natao koa hoe ranom-bavaka)
[tsodrano] (ankehitriny) firarian-tsoa heverina ho manan-kery, avy amin' ny olon-dehibe na ray aman-dreny: Omeo ny tsodranonao aho, ry dada, fa hanambady
[tsodrano] (ankehitriny) vola kely omena ny tompon-draharaha ho maripihavanana raha misy hasoavana, fanambadiana: Manatitra tsodrano
[tsodrano] Anaran' ny vola ampiarahina amin' ny tsodrano: rom-patsa, patsan' ny mpifana, tsodranon-jaza, fenakoho, vodiakoho, zara fihinanana, fanaovam-beloma, fandraisantanana, ro mafana
|