Entrée (1/4) | 1 tory |
Partie du discours | 2 nom |
Explications en malgache |
3 [1.1] Fanesorana ny kiran-javatra hahazoana kofehy Fakana ny tadim-baliha amin' ny tenany ihany, na ny tadim-baliha mihitsy: Valiha tory folo Fandrasana hena izay atao didy vaventy: Torin-kena (hena vita didy vaventy mitsoriaka) Soritra enti-manasaraka fari-tanimbary na tanimboly, na ny tanimboly voasarak' io soritra io mihitsy: Mangahazo iray tory |
Explications en français |
4 [1.3#732] incision, ligne sillon pour séparer, pour déssécher les rizières action de séparer les filaments du roFIa, du chanvre, de l'écorce du zoZOro 5 [1.196] (racine verbale, toute l'île). Action de défibrer, d'extraire les fibres d'une feuille, d'une écorce, etc. |
Dérivés |
|
Mots composés |
|
Entrée (2/4) | 17 tory |
Partie du discours | 18 nom |
Explications en malgache |
19 [1.1] Fiampangana olona iray ho nanao ratsy eo anatrehan' ny antokon-draharaham-pitsarana |
Explications en français |
20 [1.3#732] dénonciation, accusation |
Dérivés |
|
Entrée (3/4) | 25 tory |
Partie du discours | 26 nom |
Explications en malgache |
27 [1.1] Filazana, fandaharana sy fivoasana ny tenin' Andriamanitra |
Explications en français |
28 [1.3#732] prédication |
Mots composés |
|
Entrée (4/4) | 30 tory |
Partie du discours | 31 nom |
Explications en malgache |
32 [1.78] [Taisaka]
torimaso 33 [1.1] Fotoana ialan' ny tena manontolo sasatra amin' ny fikimpian' ny maso sy ny tsy fahatsiarovan-tena, ka ny asa tsy miankina amin' ny sitrapo mamelona ny tena ihany no sisa mandeha, toy ny fitepon' ny fo, ny fakana fofon' aina...: Resin-tory aho tamin' ny fijerena sarimihetsika ~ Rendrika ao anatin' ny torimaso izy |
Explications en anglais |
34 [1.2] sleep |
Explications en français |
35 [1.3#731] sommeil |
Exemples |
36 Tsy mba nahita tory izy, fa niandry izay hahantoandro ny andro hiantsoan' ny fanjakana azy. [2.324] |
Dérivés |
|
Synonymes | 40 torimaso |
Mots composés |
|
Anagrammes | 52 |
Mis à jour le 2025/01/21 |