|
|
|
|

Entrée (1/2)1  taona
Partie du discours  2  nom
Vocabulaire  3  Temps
Explications en malgache  4  Fotoana ihodinan' ny tany manodidina ny masoandro, na fotoana ahatafahodinan' ireo fizarana efatra: lohataona, fahavaratra, fararano, ary ririnina, ka iverenany amin' ny niandohany indray; ny taona iray dia misy volana vazaha roa ambin' ny folo, na herinandro roa amby dimampolo na andro dimy amby enimpolo sy telonjato. Ny taona malagasy (roa ambin' ny folo volana izay misy valo amby roapolo andro mahery kely tsirairay avy) dia fohy noho ny taona vazaha ka noho izany no iantsoana ny taona malagasy hoe taona miantsorona: Firy taona izao ny zanakao lahimatoa?
5  Marika na isa ilazana ny taona iray izay isaina hatramin' ny vanin' andro lehibe iray eo amin' ny tantara (oh. ny mariky ny isan' ny taona ampiasain' ny ankamaroan' ny firenena ankehitriny dia hatramin' ny nahafatesan' i Kristy): Taona 1960 no nahazoan' i Madagasikara ny fahaleovantenany indray [1.1]
Explications en anglais  6  the year; a season [1.7]
Explications en français  7  année [1.3#681, 1.8, 1.13]
8  les saisons de l'année [1.3#681]
9  saison [1.8]
Exemples  10  Firy taona ianao? Roa-polo taona aho (Quel âge avez-vous? J'ai vingt ans) [1.3#681]
11  taonam-betsovetso mamy [2.817]
12  Ity fa tamy ny taom-pahavaratra [2.445#56]
13  Toy izany koa ny nanisana ny taonan'ny olona iray [2.117#123]
14  Hifarana soa aman-tsara ny taon-tsekoly [2.356#73]
15  Asesy araka ny fanombanana ny taonany izany [2.606#85]
16  Tamin' ny faha-100 taonan-dRasalama tao Antananarivo izahay no nihaona matetika [2.356#86]
Morphologie 
17  Simple :
Mots composés 
Phytonymes 
Titres 
Proverbes  36  Proverbes contenant le mot taona
Article  37  Randzavola: taona ao amin' ny Baiboly

Entrée (2/2)38  taona
Partie du discours  39  nom
Dérivés 
40  Verbes actifs :
41  Verbes passifs :
42  Verbes relatifs :
43  Noms :
44  Adjectifs :
Explications en malgache  45  Tatitra entana na zavatra hafa ho amin' ny toerana hafa
46  Fitarihana olona hafa hanaraka ny hevitry ny tena [1.1]
Explications en français  47  action de porter d'un lieu à un autre
48  action de porter à, de pousser, d'encourager à, de séduire, de tenter [1.3#681]

Anagrammes  49  antao, atano, atona, tanoa, taona

Mis à jour le 2023/06/12