Entrée | 1 maditra |
Radical | 2 ditra |
Partie du discours | 3 adjectif |
Explications en malgache |
4 [1.1] Be ditra, mikiry tafahoatra hanao araka ny heviny ihany na dia fantatra fa tsy marina sy tsy tsara aza: Lahiantitra maditra, tsy mbola nahita ohatra azy io aho Minia manao ny tsy mety sy ny tsy tsara na dia tenenina lava izao aza: Zazalahy maditra iny fa mpisotro sy mpiloka ka tsy azonay ekena ho vadinao |
Explications en anglais |
5 [1.2, 1.7] stubborn 6 [1.2] obstinate, pertinacious 7 [1.7] disobedient |
Explications en français |
8 [1.8] obstiné, délinquant (se dit des jeunes) |
Exemples |
9 Adala sy maditra no fitsaran-dreniny azy, nefa ataony ahoana fa azy sy mankarary ny fony. [2.470] 10 angamba mba ho fantany fa taranaka maditra izy. [2.996] |
Morphologie |
|
Analogues | 14 mafy hatoka, mafy loha, mafy sofina, be bohihy, be marenina, donto, kirina, be kiry, be tohika, be bohika, kizitina, kafiry, madity, makikitra, be di-doha, mafy tadiny, mafy kitroka, mihizihizy, mahery loha, mahery vaika, mahery setra, mahery zaka, mahalava vava, manata-bava, matevin-koditra, mitsivalam-pandry, mahafotsy teny, mamotsy rora, tsy azo anarina, tsy hay toroana, tsy azo tenenina, tokam-bolana, tsy misy famavany, tsy andairan' anatra, tsy maty manota, tsy azo akisoka, tsy laitra akisoka, tsy azo atao ahoana amin' ahoana |
Mots composés |
|
Proverbes | 16 Proverbes contenant le mot maditra |
Mis à jour le 2024/12/11 |