<- -> |
[King James Bible] Book of Esther |
[Baiboly 1865] Estera |
[Baiboly Katolika] Estera |
[Bible de Jérusalem] Livre d'Esther |
|||||||||||||||||
<-
-> |
|
||||||||||||||||||||
Est 15:1 | Nampitondra teny tamin' i Estera izy mba hidirany ao amin' ny mpanjaka, hanao fangatahana aminy, ho an' ny fireneny sy ny tanindrazany. | ||||||||||||||||||||
Est 15:2 | Tsarovy ny andron' ny fahambanianao, sy ny nameloman' ny tànako anao, fa Amanà, ilay voalohany manarakaraka ny mpanjaka, efa niteny hamely antsika mba handringanana antsika. | ||||||||||||||||||||
Est 15:3 | Fa hianao kosa miantsoa ny Tompo, ary mitenena amin' ny mpanjaka ho anay, vonjeo amin' ny fahafatesana izahay. Ny nisehoan' i Estera teo anatrehan' i Asoerosa. | ||||||||||||||||||||
Est 15:4 | Tamin' ny andro fahatelo, nony tapitra ny fivavahan' i Estera, dia napetrany ny akanjo fivalozany, fa ny fihaingoam-piandrianany no niakanjoany. | ||||||||||||||||||||
Est 15:5 | Tao anatin' ny famirapiratan' ny haingony fatratra, nony efa niantso an' Andriamanitra ilay Tompo tokana sy Mpamonjy ny olon-drehetra izy aloha, dia nitondra azy roa vavy mpanaraka azy hiaraka aminy araky ny fomba. | ||||||||||||||||||||
Est 15:6 | Niankina tamin' ny anankiray izy hoatra ny ila tsy zakany ny tenany malemy; | ||||||||||||||||||||
Est 15:7 | ny iray kosa nanaraka avy ato aoriana, nanainga ny akanjo lavan' ity tompovaviny. | ||||||||||||||||||||
Est 15:8 | Voazavan' ny hatsaran-tarehiny mamirapiratra fatratra izy, ka miramirana ny tarehiny, maha-teo ho tia ny endriny, fa ny fony kosa voagejan' ny tahotra. | ||||||||||||||||||||
Est 15:9 | Nony tafahoatra ny vavahady rehetra izy, dia niseho teo anatrehan' ny mpanjaka. Asoerosa izany nipetraka teo amin' ny seza fiandrianam-panjakana, nitafy ny mari-piandrianany rehetra sy rakotra volamena amam-batosoa; nahatahotra ny toetr' endriny. | ||||||||||||||||||||
Est 15:10 | Nony nitraka ny lohany mandefa tsirim-boninahitra, dia fijery nirehi-pahatezerana no natopiny, ka torana ny mpanjakavavy, nivaloarika izy, sady nirona nankany amin' ny sorok' ilay ankizivavy nandeha teo alohany. | ||||||||||||||||||||
Est 15:11 | Fa novan' Andriamanitra ho halemem-panahy ny hatezeran' ny mpanjaka; velona ahiahy izy dia niantoraka avy amin' ny seza fiandrianany, nanohana an' i Estera tamin' ny sandriny, mandra-pahatsiarony tena, ary nanony ny fivadiham-pony tamin' ny teny maneho fitiavana. | ||||||||||||||||||||
Est 15:12 | Fa maninona hianao, ry Estera? hoy izy taminy; anadahinao aho, matokia, | ||||||||||||||||||||
Est 15:13 | tsy ho faty hianao, fa ho an' ny be sy ny maro ny didiko. | ||||||||||||||||||||
Est 15:14 | Avia! Dia ningainy ny tehim-bolamena, | ||||||||||||||||||||
Est 15:15 | natehiny teo amin' ny vozony, sady norohany izy, sy nataony hoe: Mitenena amiko. | ||||||||||||||||||||
Est 15:16 | Ary hoy ny navaliny: Toy ny anjelin' Andriamanitra no nahitako anao, tompokolahy, nitebiteby ny foko azon' ny tahotra ny fiandriananao, | ||||||||||||||||||||
Est 15:17 | fa mendrika ny higagana hianao, tompokolahy, ary mahate-ho tia ny tarehinao. | ||||||||||||||||||||
Est 15:18 | Mbola miteny eo izy, dia nitambotsotra ndeha ho torana indray, | ||||||||||||||||||||
Est 15:19 | ka efa kivy ratsy ny mpanjaka, ary nifamonjy namelombelona ny mpanjakavavy ireo mpanompony rehetra. | ||||||||||||||||||||
<-
-> |
|
||||||||||||||||||||
<- -> |
[King James Bible] Book of Esther |
[Baiboly 1865] Estera |
[Baiboly Katolika] Estera |
[Bible de Jérusalem] Livre d'Esther |