<- -> |
[King James Bible] |
[Baiboly 1865] |
[Baiboly Katolika] Jodita |
[Bible de Jérusalem] Livre de Judith |
|||||||||||||||||
<-
-> |
|
||||||||||||||||||||
Jdt 15:1 | Nony ren' ny foloalindahy rehetra fe hoe, tapa-doha Holoferina, dia veriny avokoa ny heviny amam-pahamalinany, fa ny tahotra amam-badi-po no nanindry azy mafy, ka ny hanavotra aina amin' ny lositra no nalehany. | Lorsque ceux qui étaient encore dans leurs tentes apprirent la nouvelle, ils en furent frappés de stupeur. | |||||||||||||||||||
Jdt 15:2 | Tsy nifampiteny indraim-bava akory izy ireo, fa samy niondri-doha sy namela teo ny zavatra rehetra fa dodona hitsoaka tsy ho tratry ny Hebrio, izay reny tamy mitam-piadiana hamely azy, ka dia vaky nandositra namakivaky ny saha izy sy namonjy ny sakeli-dàlana amin' ny tendrombohitra. | Pris de crainte et de tremblement ils ne purent rester deux ensemble : ce fut la débandade. Chacun s' enfuit par les sentiers de la plaine ou de la montagne. | |||||||||||||||||||
Jdt 15:3 | Nony hitan' ny zanak' Israely fa nandositra izy ireo, dia notanahiny nenjehina, nirotsahany tamim-pitsofan-trompetra, ary nohorakorahiny mafy avy ato aoriany. | Ceux qui étaient campés dans la région montagneuse autour de |
|||||||||||||||||||
Jdt 15:4 | Noho ny Asiriana niparitaka sady nikoropaka mafy teo am-pandosirana, ary ny zanak' Israely kosa nikambana ho antokony iray monja teo am-panenjehana azy, dia nataony jinja fary avokoa izay rehetra tratrany. | ||||||||||||||||||||
Jdt 15:5 | Tamin' izay koa nolefasan' i Oziasa iraka avokoa ny tanàna aman-tsahan' Israely rehetra; | A peine les |
|||||||||||||||||||
Jdt 15:6 | ka isam-bohitra sy isan-tanàna, samy nampandray fiadiana ny tovolahy voafantina teo aminy avy, sy nandefa ireo hanaraka ny Asiriana, ka nanenjika azy tamin' ny lelan-tsabatra ireo hatrany amin' ny faran' ny sisin-taniny. | Quant aux autres, demeurés à |
|||||||||||||||||||
Jdt 15:7 | Izay tafajanona tany Betolia kosa, niditra tao an-tobin' ny Asiriana nandraoka ny babo rehetra nilazaon' ny Asiriana nandositra, ka niverina mavesatr' izany. | Les |
|||||||||||||||||||
Jdt 15:8 | Etsy an-daniny koa izay avy nandresy ka niverina ho any Betolia, nifaoka izay rehetra nananan' ny Asiriana, dia biby fiompy tsy hita isa, sy biby mpitondra entana mbamin' ny entany rehetra, ka samy nahazo harena tamin' ny babo azony avokoa, hatramin' ny kely indrindra ka hatramin' ny lehibe indrindra. | Le grand prêtre |
|||||||||||||||||||
Jdt 15:9 | Avy ao Jerosalema Joakima mpisoron-dehibe dia tonga tao Betolia niaraka amin' ny loholona rehetra hamangy an' i Jodita. | En entrant chez elle, tous la bénirent ainsi d' une seule voix "Tu es la gloire de |
|||||||||||||||||||
Jdt 15:10 | Nony nivoaka hitsena azy izy, indray niredona nisaotra azy izy rehetra nanao hoe: Hianao no tabihan' i Jerosalema; hianao no fifalian' Israely; hianao no voninahitry ny firenentsika. | En accomplissant tout cela de ta main, tu as bien mérité d' |
|||||||||||||||||||
Jdt 15:11 | Satria nitomban-dahy ny fanahinao, ary feno herimpo ny fonao; satria tia fahadiovana hianao, fa nony maty ivadinao tsy nety nahalala hafa hianao, ny tànan' ny Tompo nanafy hery anao, ka hisaorana mandrakizay hianao. | La population pilla le camp 30 jours durant. On donna à |
|||||||||||||||||||
Jdt 15:12 | Dia indray namaly hoe, ny vahoaka: Ho tanteraka anie izany! Ho tanteraka anie izany! | Toutes les femmes d' |
|||||||||||||||||||
Jdt 15:13 | Saika tsy ampy ny telopolo andro, hanangonan' Israely ny babo tamin' ny Asiriana. | ||||||||||||||||||||
Jdt 15:14 | Nomen' ny vahoaka an' i Jodita avokoa ny volamena amana volafotsy, sy ny fitafiana amana vatosoa, mbamin' ny zavatra rehetra fantatra fa an' i Holoferina. | Au milieu de tout |
|||||||||||||||||||
Jdt 15:15 | Ary niara-nifaly avokoa ny vahoaka mbamin' ny vehivavy, ny zatovovavy, ny zatovolahy tamin' ny feon' ny harpa aman-dokanga. | ||||||||||||||||||||
<-
-> |
|
||||||||||||||||||||
<- -> |
[King James Bible] |
[Baiboly 1865] |
[Baiboly Katolika] Jodita |
[Bible de Jérusalem] Livre de Judith |