|
|
|
|

Index

Proverbes : ambinina

Proverbe 1Andriamanitra nanome, fa i Balita no tsy ambinina. [2.558 #218]

Proverbe 2Ny manan-karena, aza miavona ; ny malahelo, aza kivy : fa ny ta-hanana tsy mahaleo ny ambininy. [2.415 #847]
Traduction françaiseQue les riches ne s' enorgueillissent pas ; que les pauvres ne se découragent pas ; car les richesses ne dépendent pas du désir, mais de la chance. [2.415 #847]

Proverbe 3Ny mazoto no nambinina ka ny kamo avy koa no milaza ho miandry lahatra. [2.558 #3141]

Proverbe 4Ny mihazakazaka mahafeno harona, tsy mahaleo ny miadana ambinina. [2.558 #3147]
Ny mihazakazaka tsy mahafeno harona, tsy mahaleo ny miadana ambininy. [2.165 #1246, 2.415 #6190]
Traduction françaiseCelui qui court sans réussir à remplir son panier est inférieur à celui qui y va lentement mais qui a de la chance. [2.165]
Courir sans arriver à remplir le panier, ne vaut pas marcher longtemps et avoir de la chance. [2.415 #6190]

Proverbe 5Ny ta-hanana tsy mahaleo ny ambinina. [2.165 #752]
Ny ta-hanana tsy mahaleo ny ambininy. [2.415 #850, 2.653 #2421]
Ny te-hanana tsy mahaleo ny ambinina. [2.558 #3272]
Traduction françaiseLe désir d' acquérir et de posséder ne vaut pas la prospérité qui vient des faveurs du destin. [2.415 #850]
Le désir d' avoir ne peut être comparé au fait d' être prospère (ou béni). [2.165]
Interprétation françaiseChacun doit supporter son sort ; à chacun sa destinée : il y a des gens qui se tuent pour avoir ce qu' ils désirent et ils n' y arrivent pas, alors que d' autres voient sans efforts tous leurs désirs réalisés ; tout le monde désire être riche, mais tout le monde n'a pas la chance et les faveurs du destin. [2.415 #850]

Proverbe 6Raha manao ka tsy ambinina, ampisambory fa havana ory; fa raha miraviravy tanana tsy miasa, avelao hivarina amin-tany. [2.165 #667]
Raha manao ka tsy ambininy, omeo fa hava-malahelo, fa raha miraviravy tanana tsy manao, avelao hivarina aman-tany. [2.415 #3967]
Raha manao ka tsy ambininy, omeo fa hava-malahelo ; fa raha miraviravy tanan-tsy manao, avelao hivarina aman-tany. [2.653 #2688, 2.974]
Raha manao tsy ambinina, ampisambory fa havana ory; fa raha miraviravy tanan-tsy manao, avelao hivarina aman-tany. [1.1]
Interprétation malgacheEnti-milaza fa izay miezaka – na tsy ambinina aza – dia mendrika ny hampiana, fa izay mitomoemoe-poana kosa, tsy tokony hokarakaraina. [1.1]
Traduction françaiseLe travailleur qui n' a pas de chance doit être secouru, car c' est un parent malheureux ; mais le paresseux, il faut le laisser enterrer sans linceul de soie. [2.415 #3967]
Si le succès ne couronne pas ses efforts, aidez-le, car c’est un frère qui souffre ; mais s’il laisse pendre ses mains dans l’inaction, laissez-le choir. [2.974 #191]
Si quelqu' un travaille, mais sans profit, prêtez-lui, car c' est un malheureux; mais s' il se croise les bras sans rien faire, laissez-le souffrir. [2.165 #667]

Proverbe 7Tratrarin' ny soa vao miendrika adala, ambinina vao manary harena. [2.558 #4391]

Proverbe 8Zoma hianao tsy hendry, fa asabotsy vao fiharatra. [2.415]
Zoma no tsy nambinina ka asabotsy avy no ho kivy. [2.558 #5105]
Zoma tsy hendry, ka Asabotsy vao fiharatra. [1.10, 2.558 #5106, 2.653 #3788, 2.974 #240, 1.1]
Interprétation malgacheIlazana ny olona izay tsy mahalala, na mihevitra, na tsy manararaotra ny fotoana ahazoany mihatsara, na misondrotra, na mahazo soa; ka efa lasa ilay fotoana mety vao mikarokaroka; (ny fiharatra dia hareza kely, ary ilazana an'ohatra ny olona fetsy sy maranitra). [1.10]
Manao zavatra tsy araka ny fotoanany avy. [1.1]
Traduction françaiseEtre insensé le vendredi, et devenir un objet de risée le samedi. [2.974 #240]
Le vendredi vous n' êtes pas sage, et c' est le samedi que vous commencez à vous affiler. [2.415 #6264]
Interprétation françaiseC'est trop tard. [2.415 #6264]

Index