Entrée Andriamanitra (andry, hanitra)
Partie du discours nom propre (biblique) [liste]
Définition malgache Anarana niantsoan' ny Ntaolo ireo hery miafina ambonin' ny zavaboary ka nahatonga ny fiteny hoe Andriamanidahy sy Andriamanibavy
¶ Ilay lehibe indrindra amin' ireo hery ireo, izay navahany amin' ny fiantsoana azy manokana hoe Andriamanitra-Andriananahary, ka voalazany fa:
a) tsy maintsy inoana: Manao an' Andriamanitra tsy misy ka mitsambiki-mikimpy
b) nahary tongotra aman-tanana ny olombelona
d) mahalala ny zavatra rehetra: Avo fijery Andriamanitra ka mahita ny takona
e) manohy mitahy ny olombelona hatrany hatrany: Ny iray tahitahin' Andriamanitra ny iray tahitahin' olombelona
f) marina ka mamaly ny ratsy sy ny tsara: Bibilava vonono, tsy tanana hamely, tsy tongotra hitsipaka fa Andriamanitra no andrasana
g) tsara fo: Tsy misy tsy hitan' Andriamanitra saingy minia miondrika izy
h) fototry ny lalàm-pitondran-tena: Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra ao antampon' ny loha
¶ Razana araka ilay fiteny iantsoana ny maty hoe: Lasan-ko Andriamanitra
¶ Ny masoandro, izay lazaina amin' ilay fotoana mitsidika andro iny hoe: Andriamanitra mby an-trano [Rajemisa 1985]
Définition anglaise God. The word up to recent times was used in speaking of idols, charms, the deceased sovereigns, the reigning sovereign, anything valuable or wonderful; in these latter sense it seems equivalent to divine, supernatural, extraordinary, or surpassingly excellent. It is still so used in the more distant parts of the island, and among the unenlightened people of the central province even. It is said that the name was so given because while the body might not be seen, there was a fragrancy attending the name. See zanahary [Richardson 1885]
 God [Hallanger 1973]
Définition française Dieu [Abinal 1888, Hallanger 1974, Rajaonarimanana 1995]
 ¶ Le Créateur [Abinal 1888]
Vocabulaire 
Morphologie 
Andriamanitra
Andriamanitro
Andriamanitrao
Andriamanitry
Andriamanitsika
Andriamanitray
Andriamanitrareo
Andriamanitr'
Andriamani-
Abréviation 
Analogues  Andriananahary ~ Zanahary
Exemples 
1Fa maninona re izahay, Andriamanitra, no dia nidiran-doza toy itony! [Rajohanesa: Kintana]
2Hafahafa ihany ny soratr' aretiny ary tsy fantatra rahateo izay sitrapon' Andriamanitra. [Rakotonandrasana: Tantsaha, page 61]
Citations 
Articles 

Entrée andriamanitra
Partie du discours nom
Définition anglaise a god (sometimes used of the ancestors) [Hallanger 1973]
Définition française dieu. Autrefois on donnait ce nom aux objets du culte superstitieux, et aux bonnes choses, comme nous disons divin pour exprimer une qualité supérieure [Abinal 1888]
 un dieu (se dit parfois des ancêtres) [Hallanger 1974]
Vocabulaire 
Mots composés, titres, noms 
Exemples Ny vodiny nomeny ny andriamanjaka, fa izany no ataony ho andriamanitra hita-maso. [Rabezandrina: Ikotofetsy]

2017/06/29