|
|
|
|

Entrée1  Tanala very sampy
Mots élémentaires  2  Tanala, very, sampy
Partie du discours  3  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Vocabulaire  4  Littérature: poèmes
Auteur  5  Rabearivelo Jean-Joseph
Texte complet 
6  Raha sendra misoka ny volana ambony,
7  Raha takona mantsy, ka tsy mba hita intsony,
8  Ankaratra misento, ka tsy mba mitony,
9  Andringitra no ho avy hanony ny fony.

10  Irony domohina raha toa saraka ala,
11  Indrisy! misento. Indrisy! fa adala?
12  Manembona hono, fa lavi-malala -
13  Hanova no sisa, fa sampin-tanala.

14  Avia, ry vorona? Avia mba mikalo!
15  Alaotra nilaozana, tomany mpandalo;
16  Very tsiriry ka indrisy? mimalo? -
17  Vonoiko ny sento, tsy ekeko hampivalo.

18  Ory manjavona - Ankaratra izany?
19  Onena misento - Ankaratra ihany
20  Ny tsy anilan-tiana no tena tomany -
21  Ny lehilahy kosa tsy lavon'izany.

22  Ora-midona no mety hampahatsiahy
23  Ozom-pitia mijoro hampanahy;
24  Toa aloka sisa, fa very fanahy? -
25  Tanala very sampy aho, ry lahy.

26  Samborina ve ny domohin'ny tena,
27  Samborina ho an-kafa, hanorisorena?
28  Indrisy! misento. Indrisy! mivena -
29  Izaho manan-kambo tsy resy resena.

30  Efa nisinda ilay kinta-nirina,
31  Efa niova fangirifiriana;
32  Orosan-tsy satry ny sento iniana?
33  Ovao ny famindra, ka 'ndeha miova tiana.

Mis à jour le 2024/12/10