Entrée | 1 hevitra |
Partie du discours | 2 nom |
Explications en malgache |
3 [1.1] Fahazoana an-tsaina zavatra iray, eritreritra, fisaintsainana zavatra: Manjohy ahy foana izany hevitra izany Zavatra na tetika foronin' ny saina, fieritreretana, fandinihana: Nahita hevitra tsara izay namorona ity milina ity Saina: Manao azy ho be hevitra ny anao Fomba fahazoana, fahitana, fitsarana zavatra: Izao no hevitro momba io raharaha io Fisainana: Tsy misy mahatakatra ny hevitr' Andriamanitra Fanorotoroana, anatra: Tokony harahinao ny hevitra omeko anao Dikany, zavatra tiany holazaina: Lazao ny hevitry ny teny hoe miantsorona Fomba ampiasaina, tetika: Tsy hitako izay hevitra hialana amin' ity toerana ity Fikasana: Manankevitra ny handositra izany ianao? Antony, fotony: Tsy misy heviny ity zavatra nataonao ity Vidy, vidiny: Inty ny hevitry ny andro niasanao |
Explications en anglais |
4 [1.7] thought, thinking an idea |
Explications en français |
5 [1.3#242, 1.8] pensée, idée 6 [1.3] opinion: Izao ny hevitro (Voici mon opinion) sentiment: Raha momba ny fivavahana dia tsara hevitra izy (Il a de bons sentiments au sujet de la religion) jugement: Tsy misy mahatakatra ny hevin' Andriamanitra (Personne ne peut comprendre les pensées, les jugements de Dieu) intelligence: Be hevitra izy (Il a beaucoup d'intelligence) conseil: Tokony harahinao ny hevitra nomeny anao (Vous devez suivre le conseil qu'il vous a donné) sens: Izao no hevitr' io teny io (Voici le sens de ce mot) signification: Lazao ny hevitr' io fanoharana io (Dites la signification de cette parabole) projet: Manan-kevitra mba handositra izy (Il a formé le projet de s'enfuir) expédient: Nahita hevitra aho hialako amin' ny fahasahiranana (J'ai trouvé un expédient pour sortir d'embarras) ruse: Nanao hevitra, nanao an-kevitra izy mba tsy handoa hetra (Il a usé de ruse pour ne pas payer l'impôt) motif: Misy heviny ny zavatra rehetra nataon' Andriamanitra na dia izay kely indrindra aza (Ce n'est pas sans motif que Dieu fait même les plus petites choses) raison, bon sens: Tsy misy heviny ny teninao (Ce que vous dites est contre la raison, le bon sens) ~ Tsy misy heviny ny nataony (Ce qu'il a fait est contre le bon sens, absurde) prix: Ity ny hevitry ny andro niasanao (Voici le prix de vos journées de travail) récompense: Mbola ho azonao ny an-kevitry ny asanao (Vous aurez plus tard la récompense de votre travail) valeur: An-kevitry ny volanao iny akanjo iny (Cet habit est la valeur de l'argent que je vous doit) complément: Ity ny iraimbilanja sisa an-kevitry ny karamanao (Voici le franc qui reste en complément de votre salaire) rapport: Ara-kevitry, an-kevitry ny halehiben' ny famarana ny vidin-javatra (Le prix des denrées est en rapport avec la grandeur de la mesure) proportion: Ara-kevitry, an-kevitry ny asa vita ny vola azo (L'argent qu'on gagne est en proportion du travail qu'on fait) |
Exemples |
7 Aiza no ananako hevitra amin' izany! [2.4#19] 8 Ataontsika izay hevitra rehetra mety. [2.470#62] 9 Manan-kevitra lalina izy (Il a des pensées profondes) [1.3#242] 10 Rekitra ao an-tsainy izany hevitra izany (Cette idée est fixée dans son esprit) [1.3#243] |
Vocabulaire |
11 Philosophie |
Morphologie |
|
Dérivés |
|
Analogues | 19 torohevitra |
Mots composés |
|
Proverbes | 114 Proverbes contenant le mot hevitra |
Anagrammes | 115 |
Mis à jour le 2025/01/21 |