Entrée (1/3) | 1 hetra |
Partie du discours | 2 nom |
Explications en malgache |
3 [1.1] (taloha) Velaran-tany nomen' Andrianampoinimerina ny fianakaviana tsirairay avy izay nahavoka-bary nivelomany nandritra ny herintaona (eo amin' ny roapolo vary eo ho eo, na 240 dcl); io vary azo tamin' ny hetra io dia nakana am-pahany ho an' ny mpanjaka (inenin' ny vata) ka avy amin' izany kosa indray no nampiova ny hevitry ny teny hoe hetra taty aoriana (ankehitriny) Vola aloa amin' ny fanjakana maha-olom-panjakana ny tena, ka misy atao hoe hetra isandahy (vola aloan' ny lehilahy feno iraika amby roapolo taona izay efa nofoanana ankehitriny), ary ny hetrantrano, tany, omby...; izany hoe vola tsy maintsy aloa isan-taona amin' ny harena ananana |
Explications en anglais |
4 [1.7] Taxes |
Explications en français |
5 [1.8, 1.5] Impôt, taxe 6 [1.5] Redevance |
Exemples |
7 Azo anaovana fitakiana aty aoriana ny mpandoa hetra nanadino nanambara ny hetra izay zakainy, na nanao hosoka tamin' ny sara tsy hita fototra. [4.27#] 8 Tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-17, dia dia efa nampanaiky an' Antsihanaka Andriamandisoarivo, Mpanjakan' i Boina ka nampandoa hetra azy. [2.508#] |
Vocabulaire |
9 Economie: finances, gestion |
Morphologie |
|
Mots composés |
|
Proverbes | 18 Proverbes contenant le mot hetra |
Article |
19 Randzavola: hetra ao amin' ny Baiboly |
Entrée (2/3) | 20 hetra |
Partie du discours | 21 nom |
Explications en malgache |
22 [1.1] Anarana hafa ilazana ny fehikibo. |
Explications en français |
23 [1.5] Ceinture |
Dérivés |
|
Synonymes | 29 fehikibo, fehinkibo |
Entrée (3/3) | 30 hetra |
Partie du discours | 31 adverbe [Liste complète] |
Explications en français |
32 [1.19] [Tankarana]
depuis que. § hàtra. |
Synonymes | 33 faitra |
Anagrammes | 34 |
Mis à jour le 2025/01/21 |