6 Ilay fasako, fasako ihany,
7 fa ny foko dia fasana koa!
8 Io no fasako ivelan'ny tany,
9 io no fasako iray, faharoa!
10 Tsy mba vero na mba rangolahy
11 no manafina an'io fasana io -
12 fa ny nofoko zary manahy
13 no mandrakotra omaly sy anio.
14 Sentosentoko mamelovelo,
15 ranomaso, toloko tsy tana -
16 izy ireny no sarin'avelo,
17 mitampody ka sarotra ialana!
18 Ao ny nofy novolavolaina,
19 izay nisinda nalaky, tsy hita!
20 Ao no rendrika ilay nantenaina,
21 ilay sambo nataoko ho tafita!
|
22 Ao ny tsantan' ny andro taloha
23 sy ny hiran'ny fahazazako
24 no milevina ka tsy mifoha,
25 na miverina mba hitondra ako!
26 Ao ny zava-drehetra voakasa,
27 saingy simba, ka very tadidy!
28 Ao ny taolan'ny androko lasa,
29 sy ny ora tsy masi-mandidy!
30 Ao ny nofo nikipaka mora
31 ao ny maty daholo daholo!
32 Ao malazo na mbola tanora,
33 ka mianjera tsy mana-mpisolo!
34 Ilay fasako, fasana ihany,
35 fa ny foko dia fasana koa!
36 Io no fasako ivelan'ny tany.
37 io no fasako iray faharoa.
|