Entrée (1/4) | 1 fanahy |
Radical | 2 hahy |
Partie du discours | 3 nom |
Explications en malgache |
4 [1.1] Fomba entina manahy na mamelatra zavatra amin' ny toerana talaky andro mba ho maina: Tsy toy izao, retsy, no fanahy vary, ry Ketaka |
Entrée (2/4) | 5 fanahy |
Radical | 6 ahy |
Partie du discours | 7 nom |
Explications en malgache |
8 [1.1] Fomba entina manahy Zavatra ao amin' ny olombelona entiny manahy ny amin' ny tenany, mampahatsiaro tena azy: Very fanahy mbola velona ohatra ny valala voatango Zavatra mampiavaka ny olona amin' ny biby: Ny fanahy no olona. Saina mieritreritra, fahendrena: Ny manam-panahy mody voky fa ny adala manesika ihany. Ilay zavatra tsy mety maty fitambaran' ny saina sy ny sitra-po ao amin' ny olombelona izay misaraka amin' ny vatana rehefa maty ny olona mba ho any amin' ny fiainana any an-koatra: Hivavaka ho an' ny fanahin' ny maty isika. Toetra: Manao fanahin-jaza. Fahasalamana: Nahakepoka ny fandrenesana an-dRakoto maty tampoka: olona tsara fanahy izao izy no niala tao an-trano. |
Explications en anglais |
9 [1.2] the mind, the seat of thought, anxiety, or care; care for, thoughtful concern; tact, disposition, character, intelligence, knowledge; the soul, the immortal part of man. See nahy. 10 [1.7] the spirit, the soul; an attitude or temperament |
Explications en français |
11 [1.8] esprit, âme; attitude ou tempérament |
Exemples |
12 Toetra no lazaina hoe fanahy eto. [1.316#] 13 Fa misy fanahy handalana, Re lahy! [2.69#] 14 Fanandratana ny fanahy maha-olona. [1.317#] |
Vocabulaire |
15 Philosophie |
Morphologie |
|
Synonymes | 18 iniana, nahy, satry |
Mots composés |
|
Phytonymes |
|
Titres | 62 Aingaim-panahy vaovao (Rajohns Barthelemy) |
Proverbes | 63 Proverbes contenant le mot fanahy |
Article |
64 Randzavola: fanahy ao amin' ny Baiboly |
Entrée (3/4) | 65 fañahy |
Partie du discours | 66 nom |
Explications en malgache |
67 [1.78] [Bara]
fitaka |
Morphologie |
|
Entrée (4/4) | 70 Fanahy |
Partie du discours | 71 nom propre (biblique) [Liste complète] |
Exemples |
72 Velona amin'ny fanahy isika, ka aoka handeha amin'ny fanahy [2.996] |
Vocabulaire |
73 Ecritures Saintes |
Anagrammes | 74 |
Mis à jour le 2025/01/21 |