|
|
|
|

Entrée (1/2)1  boiboika
Partie du discours  2  nom
Explications en malgache  3  [1.10#B292] aretina tsy fantatry ny natolo mazava. Araka ny diksionera Richardson sy Malzac dia aretina miseho amin' ny hoditra izay manjary vay ratsy sy fery mihady izy io. Angamba vay madinidinika mipoipoitra amin' ny hoditra, toy ny miboiboika avy ao anaty, no fiandohany, ka nahazoany ny anarany. -- Ny fitsaboana azy tamin' ny ntaolo dia voatana ao amin' ny Tantaran' Andriana (P. Callet, Boky I, takila 116) ; nefa fantatra fa tsy mahaleo ny fitsaboana ankehitriny ireny. -- Na izany aza, azo ambara fa ny ravi-mangahazo, velarina maro sosona mandrakotra ny fery, solosoloana matetika dia manintona ny nana sy ny ra maloto ao amin' ny vay, ary aorian' izany mampisondrotra faingana ny nofo ao amin' ny fery; azo atao na aiza na aiza io, fa zavatra mora hita. -- Tokony hodinihina ny fivalan-dranon' ny marary sao misy siramamy (fisehoan' aretin-tsiramamy) mantsy ireny vaivay ireny matetika, ary mety ho ela sitranina raha tsy voatsabo koa ity aretina ity. Izany, mbamin' ny fandinihana ny toetry ny fery sy ny toe-tena no ilana hanatonana doktera, na mety hahavonjy maika aza ny ravi-mangahazo.
4  [1.1] Vay, fery maharitra ary manitatra
Explications en anglais  5  [1.2] a foul protuberant ulcer.
Explications en français  6  [1.3#85, 1.54] ulcère
7  [1.3#85] abcès, tumeur scrofuleuse
Exemples  8  izao kosa no karazan' aretina boiboika. [2.48]
Vocabulaire  9  Santé
Dérivés 
10  Verbes actifs :
11  Verbes passifs :
Analogues  12  dridra

Entrée (2/2)13  boiboika
Radical  14  boika
Partie du discours  15  nom
Explications en malgache  16  [1.10#B293] fipoitra sy fivoaka mitsitapitapy, nefa tsy an-kijanona, toy ny rano avy amin' ny loharano na ny vava-tavohangy, ets.
17  [1.1] Fivoahan' ny rano na ny ra mivoaka tsy an-kijanona avy ao anatin' ny tany na ny tena, fifantsitsirana
Explications en anglais  18  [1.2] the bubbling or gurgling, as water in a spring.
19  [1.7] a bubbling up; a gurgling sound
Explications en français  20  [1.3#85] [duplicatif fréquentatif]
21  [1.8] action de jaillir; bruit du jaillissement
Dérivés 
22  Verbes actifs :
23  Verbes passifs :
24  Verbes relatifs :
25  Noms :
Synonymes  26  boika, taboika

Anagrammes  27 

Mis à jour le 2025/01/21