<- -> |
[King James Bible] The Revelation |
[Baiboly 1865] Apokalypsy |
[Baiboly Katolika] Fanambaràna |
[Bible de Jérusalem] L'Apocalypse |
|||||||||||||||||||||||
<-
-> |
|
||||||||||||||||||||||||||
Apo / Ap 5:1 | And I saw in the right hand of him that sat on the throne a book written within and on the backside, sealed with seven seals. | Ary hitako fa, indro, nisy boky voasoratra tao anatiny sy teo ivohony, voapetaka mafy tamin' ny tombo-kase fito, teo an-tanana ankavanan' ilay nipetraka teo ambonin' ny seza fiandrianana. | Ary indro, hitako teny an-tànana an-kavanan' ilay mipetraka eo amin' ny seza fiandrianana boky voasoratra tao anatiny sy teo ivelany, voaisy tombo-kase fito. | Et je vis dans la main droite de Celui qui siège sur le trône un livre roulé, écrit au recto et au verso, et scellé de sept sceaux. | |||||||||||||||||||||||
Apo / Ap 5:2 | And I saw a strong angel proclaiming with a loud voice, Who is worthy to open the book, and to loose the seals thereof? | Ary hitako fa, indro, nisy anjely mahery niantso tamin' ny feo mafy hoe: Iza no miendrika hanokatra ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny? | Dia indro, nisy anjely mahery anankiray niantso tamin' ny feo mafy hoe: Iza no mendrika hanokatra ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny? | Et je vis un Ange puissant proclamant à pleine voix : " Qui est digne d' ouvrir le livre et d' en briser les sceaux ? " | |||||||||||||||||||||||
Apo / Ap 5:3 | And no man in heaven, nor in earth, neither under the earth, was able to open the book, neither to look thereon. | Ary tsy nisy tany an-danitra, na tetý an-tany, na tany ambanin' ny tany, nahasokatra ny boky na nahajery azy. | Ary tsy nisy, na tany an-danitra, na tety an-tany, na tany ambanin' ny tany, nahasokatra na nahajery azy akory. | Mais nul n'était capable, ni dans le ciel, ni sur la terre, ni sous la terre, d' ouvrir le livre et de le lire. | |||||||||||||||||||||||
Apo / Ap 5:4 | And I wept much, because no man was found worthy to open and to read the book, neither to look thereon. | Ary nitomany mafy aho, satria tsy nisy hita miendrika hanokatra ny boky na hijery azy. | Koa nitomany mafy aho, fa tsy hita izay mendrika hanokatra ny boky sy hijery azy. | Et je pleurais fort de ce que nul ne s'était trouvé digne d' ouvrir le livre et de le lire. | |||||||||||||||||||||||
Apo / Ap 5:5 | And one of the elders saith unto me, Weep not: behold, the Lion of the tribe of |
Ary ny anankiray tamin' ny loholona nanao tamiko hoe: Aza mitomany; indro, ny Liona avy amin' ny firenen' i Joda, dia ny Solofon' i Davida, no efa naharesy ka hanokatra ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny fito. | Dia hoy ny anankiray tamin' ny Anti-dahy tamiko: Aza mitomany, fa indro, efa nandresy ny Liona avy amin' ny fokon' i Jodà sy solofon' i Davida, ka hanokatra ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny fito. | L' un des Vieillards me dit alors : " Ne pleure pas. Voici : il a remporté la victoire, le Lion de la tribu de |
|||||||||||||||||||||||
Apo / Ap 5:6 | And I beheld, and, lo, in the midst of the throne and of the four beasts, and in the midst of the elders, stood a Lamb as it had been slain, having seven horns and seven eyes, which are the seven |
Ary hitako fa, indro, teo afovoan' ny seza fiandrianana sy ny zava-manan' aina efatra ary teo afovoan' ny loholona dia nisy Zanak' ondry nitsangana tahaka ny efa voavono, nanan-tandroka fito sy maso fito, dia ny Fanahy fiton' Andriamanitra nirahina hankany amin' ny tany rehetra. | Ary hitako, fa indro, teo afovoan' ny seza fiandrianana sy ny Zava-manana aina efatra, sy teo afovoan' ireo Anti-dahy, dia nisy Zanak' ondry nitsangana, tahaka ny voavono, nanan-tandroka fito sy maso fito, dia ny Fanahy fiton' Andriamanitra nirahina any amin' ny tany rehetra. | Alors je vis, debout entre le trône aux quatre |
|||||||||||||||||||||||
Apo / Ap 5:7 | And he came and took the book out of the right hand of him that sat upon the throne. | Ary tonga Izy ka nandray ny boky teo an-tanana ankavanan' ilay nipetraka teo ambonin' ny seza fiandrianana. | Dia tonga izy ka nandray ny boky teny an-tànan' ilay mipetraka eo ambonin' ny seza fiandrianana. | Il s' en vint prendre le livre dans la main droite de Celui qui siège sur le trône. | |||||||||||||||||||||||
Apo / Ap 5:8 | And when he had taken the book, the four beasts and four and twenty elders fell down before the Lamb, having every one of them harps, and golden vials full of odours, which are the prayers of saints. | Ary rehefa nandray ny boky Izy, ny zava-manana-aina efatra sy ny loholona efatra amby roa-polo dia niankohoka teo anatrehan' ny Zanak' ondry, sady samy nanana lokanga sy lovia volamena feno ditin-kazo manitra izy, dia vavaka ataon' ny olona masina izany. | Nony nandray ny boky izy, dia niankohoka teo anoloan' ny Zanak' ondry ny Zava-manana aina efatra sy ny Anti-dahy efatra amby roapolo, izay samy nanana lokanga sy lovia volamena feno zava-manitra, dia ny fivavahan' ny olon-masina izany. | Quand il l' eut pris, les quatre |
|||||||||||||||||||||||
Apo / Ap 5:9 | And they sung a new song, saying, Thou art worthy to take the book, and to open the seals thereof: for thou wast slain, and hast redeemed us to |
Ary nihira fihiram-baovao izy ka nanao hoe: Hianao no miendrika haka ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny; Fa voavono Hianao, Ary ny rànao no nanavotanao ho an' Andriamanitra olona avy tamin' ny fokom-pirenena rehetra sy ny samy hafa fiteny sy ny olona ary ny firenena rehetra; | Ary nanao hira vaovao izy ireo nanao hoe: Hianao no mendrika handray ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny. Fa voavono hianao, ka ny rànao no nanavotanao ho an' Andriamanitra ny fokom-pirenena rehetra sy ny samihafa fiteny, mbamin' ny fanjakana sy ny firenena rehetra. | ils chantaient un cantique nouveau : " Tu es digne de prendre le livre et d' en ouvrir les sceaux, car tu fus |
|||||||||||||||||||||||
Apo / Ap 5:10 | And hast made us unto |
Ary efa nataonao fanjakana sy mpisorona ho an' Andriamanitsika ireo; Ary manjaka ambonin' ny tany izy. | Nataonao fanjakana sy mpisorona ho an' Andriamanitra izy ireo, ka manjaka ety ambonin' ny tany. | tu as fait d' eux pour |
|||||||||||||||||||||||
Apo / Ap 5:11 | And I beheld, and I heard the voice of many angels round about the throne and the beasts and the elders: and the number of them was ten thousand times ten thousand, and thousands of thousands; | Ary nahita aho sady nandre feon' anjely maro manodidina ny seza fiandrianana sy ny zava-manan' aina ary ny loholona, ary ny Isany dia alinalina sy arivoarivo, | Dia hitako, sady reko koa ny feon' anjely maro, manodidina ny seza fiandrianana sy ny Zava-manana aina ary ireo Anti-dahy, ka ny isany dia alinalina sy arivoarivo, | Et ma vision se poursuivit. J' entendis la voix d' une multitude d' Anges rassemblés autour du trône, des |
|||||||||||||||||||||||
Apo / Ap 5:12 | Saying with a loud voice, |
nanao tamin' ny feo mahery hoe: Ny Zanak' ondry, Izay novonoina, dia miendrika handray hery sy harena sy fahendrena sy faherezana sy haja sy voninahitra ary saotra. | nanao tamim-peo mahery hoe: Ny Zanak' ondry izay voavono no mendrika handray ny fahefana, ny harena, ny fahendrena, ny hery, ny haja, ny voninahitra, ary ny saotra. | et criant à pleine voix : " |
|||||||||||||||||||||||
Apo / Ap 5:13 | And every creature which is in heaven, and on the earth, and under the earth, and such as are in the sea, and all that are in them, heard I saying, |
Ary izao zavatra ary rehetra izao, na izay any an-danitra, na izay etý ambonin' ny tany sy any ambanin' ny tany, na izay any an-dranomasina mbamin' izay rehetra ao anatiny, dia reko samy nanao hoe: Ho an' ilay mipetraka eo ambonin' ny seza fiandrianana sy ho an' ny Zanak' ondry anie ny saotra sy ny haja sy ny voninahitra ary ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. | Ary reko ny voary rehetra any an-danitra sy ety an-tany ary any ambanin' ny tany, mbamin' izay any anaty ranomasina, sy ny zavatra rehetra ao anatin' ireo indray nilaza hoe: Ho an' ilay mipetraka eo amin' ny seza fiandrianana sy ho an' ny Zanak' ondry anie ny dera sy haja, ary ny voninahitra amam-pahefana mandrakizay mandrakizay! | Et toute créature, dans le ciel, et sur la terre, et sous la terre, et sur la mer, l' univers entier, je l' entendis s' |
|||||||||||||||||||||||
Apo / Ap 5:14 | And the four beasts said, |
Ary ny zava-manan' aina efatra nanao hoe: Amena. Ary ny loholona dia niankohoka ka nivavaka. | Dia novalian' ny Zava-manana aina efatra hoe: Amena. Ary ny Anti-dahy efatra amby roapolo niankohoka nitsaoka an' ilay velona mandrakizay mandrakizay. | Et les quatre |
|||||||||||||||||||||||
<-
-> |
|
||||||||||||||||||||||||||
<- -> |
[King James Bible] The Revelation |
[Baiboly 1865] Apokalypsy |
[Baiboly Katolika] Fanambaràna |
[Bible de Jérusalem] L'Apocalypse |