|
|
|
|

Entrée1 Voninkazo taratasy
Mots élémentaires  2vony, 3hazo, 4taratasy
Partie du discours  5 nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Vocabulaire  6 Littérature: poèmes
Auteur  7Rajaobelison Samuël
Texte complet  8 Dodona aho hanimbolo
9 F'efa babony tontolo,
10 Kanjo he! mangasihasy!
11 Voninkazo taratasy!

12 Ny voninkazo-Nanahary
13 Ve tsy nisy? ka inona àry,
14 Ka inona no nanolorana
15 'Ty voninkazo torantorana?

16 Karazan-doko mahakofona
17 Fa tsy hanitra na fofona,
18 Nony'njay atao an-tratra:
19 Henjankenjana mandratra.

20 Samy voninkazo ihany:
21 Ny iray velomin-tany,
22 Dokadoka, lenodenoka,
23 Misy fofo-maharenoka!

24 Samy voninkazo ihany:
25 Ny iray namboarina any ho any
26 Lafo vidy, sarotsarotra,
27 Entam-barotra! entam-barotra!

28 Samy fotsy, samy mena,
29 Samy ngita raha jerena.
30 Ny iray, fahaizana hosodoko;
31 Ny iray, kilalaon'ny foko!

32 Eto an-tany koa dia misy
33 Toerana amboarina indrisy!
34 Maka tahaka ny lanitra,
35 Nefa tsisy fofo-manitra.

Mis à jour le 2025/10/11