| Entrée | 1 Voninkazo taratasy |
| Mots élémentaires | 2 vony, 3 hazo, 4 taratasy |
| Partie du discours | 5 nom propre (titre de poème) [Liste complète] |
| Vocabulaire | 6 Littérature: poèmes |
| Auteur |
7 Rajaobelison Samuël |
| Texte complet |
8 9 Dodona aho hanimbolo 10 F'efa babony tontolo, 11 Kanjo he! mangasihasy! 12 Voninkazo taratasy! 13 Ny voninkazo-Nanahary 14 Ve tsy nisy? ka inona àry, 15 Ka inona no nanolorana 16 'Ty voninkazo torantorana? 17 Karazan-doko mahakofona 18 Fa tsy hanitra na fofona, 19 Nony'njay atao an-tratra: 20 Henjankenjana mandratra. 21 Samy voninkazo ihany: 22 Ny iray velomin-tany, 23 Dokadoka, lenodenoka, 24 Misy fofo-maharenoka! 25 Samy voninkazo ihany: 26 Ny iray namboarina any ho any 27 Lafo vidy, sarotsarotra, 28 Entam-barotra! entam-barotra! 29 Samy fotsy, samy mena, 30 Samy ngita raha jerena. 31 Ny iray, fahaizana hosodoko; 32 Ny iray, kilalaon'ny foko! 33 Eto an-tany koa dia misy 34 Toerana amboarina indrisy! 35 Maka tahaka ny lanitra, 36 Nefa tsisy fofo-manitra. |
| Mis à jour le 2025/11/17 |
|