|
|
|
|

Entrée (1/2)1 dihy
Partie du discours  2 nom
Explications en malgache  3fampisehoam-pihetsehana ataon' ny tena manontolo: loha, tanana, tongotra, ary indraindray koa aza ny vatana, mba hanehoana fifaliana.
4Toetran' ny fanidin' ny vorona eny amin' ny habakabaka raha tsy mihetsika na mikopaka ny elany. [1.1]
Explications en anglais  5a dance, dancing in the native style. See danise, tsinjaka. [1.2]
6a dance, dancing. [1.7]
Explications en français  7danse. [1.3#102, 1.8]
8sautillement, tournoiement de la toupie, du fuseau.
9le trémoussement des ailes d’un oiseau planant au même point. [1.3#102]
Exemples  10 Velona indray ny hira amana dihy natao teo tamin' ny ndeha hangataka iny. [2.245]
11 Inona kosa, hoy Noro nony efa nitonitony izy, no tsy nitiavanao ny dihy? [2.5]
12 Tsimpony ny teny rehetra mampiseho ny maha-malagasy ny dihy sy ny mpandihy. [2.313]
Dérivés 
Verbes actifs :
Verbes passifs :
Verbes relatifs :
Noms :
Synonymes  22danise, tsinjaka
Analogues  23 afindrafindrao, 24 dada, 25 dihysoroka, 26 jaiko, 27 sahoby, 28 salegy, 29 soamaroroka, 30 soratra, 31 totorebika, 32 tsaramiera, 33 tsinjaka, 34 tsipisandry, 35 velatanana
Tous les mots composés  3612 combinaisons de ce mot
Proverbes  37 Proverbes contenant ce mot

Entrée (2/2)38 Dihy
Mots élémentaires  39dihy
Partie du discours  40 nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Vocabulaire  41 Littérature: poèmes
Auteur  42Rabearivelo Jean-Joseph
Texte complet  43 Ritsodritso-baliha telo,
44 gobogobok' ampongatapaka,
45 lokanga dimy indray dinidy
46 sy sodin-taolana tsara loaka.

47 Io misonenika Ratovovavy,
48 miakanjo manga marain-droa !
49 Ny lamba valaka mavokely;
50 raozy gasy ao anaty volo.

51 Tsoakam-bero sa bararata
52 mihararetra any amoron' ala ?
53 Sidintsidin' ny andro meva,
54 sa angidi-mangan' ny eny an' ony?

55 Io misonenika Ratovovavy,
56 moana tahaka ny Fiadanana;
57 valiha telo, ampongatapaka,
58 lokanga, sodina no indray henony.

59 Fa injay ny molony mangovingovitra,
60 ipololoran'ny nofinofy;
61 tsy toha intsony ka zary kalo,
62 dia zary hira nony efa avy eo.

63 Mba hontsa koa Ravaviantitra,
64 ka io mirotsaka mba handihy,
65 mitari-joro ny ila sikiny,
66 dia toy ny androny mirefarefa.

67 Tsy kalokalo na hirahira
68 no mampifelana izato endriny,
69 ranomaso no mamonto azy,
70 mahatsiaro ny maty rehetra...

71 Mahatsiaro... Toa fenomanana
72 efa ho rendrika tsy ho hita.
73 inty mihintsana ny lohataona
74 ka zary fasana ravi-maina...

75 Dia mifanojo ny loha tondro,
76 ny tondro mihantsin-dRatovovavy
77 sy ny tondro efa fola-dRavaviantitra,
78 samy tanteraky ny hazavana.

79 Mifanojo ka toa tetezana
80 ifanohizan' ny alin-kely
81 efa foy ery an-tendrombohitra,
82 sy ny andro maneno akoho !

Anagrammes  83 Dihy, dihy, 84 hidy

Mis à jour le 2025/11/06