|
|
|
|

Entrée (1/2)1  dihy
Partie du discours  2  nom
Dérivés 
Verbes actifs :
Verbes passifs :
Verbes relatifs :
Noms :
Tous les mots composés  12  14 mots contenant dihy
Explications en malgache  13  [1.1] fampisehoam-pihetsehana ataon' ny tena manontolo: loha, tanana, tongotra, ary indraindray koa aza ny vatana, mba hanehoana fifaliana
Toetran' ny fanidin' ny vorona eny amin' ny habakabaka raha tsy mihetsika na mikopaka ny elany
Explications en anglais  14  [1.2] a dance, dancing in the native style. See danise, tsinjaka
15  [1.7] a dance, dancing
Explications en français  16  [1.3#102, 1.8] danse
17  [1.3#102] sautillement, tournoiement de la toupie, du fuseau
le trémoussement des ailes d’un oiseau planant au même point
Exemples  18  [2.245] Velona indray ny hira amana dihy natao teo tamin' ny ndeha hangataka iny.
19  [2.5] Inona kosa, hoy Noro nony efa nitonitony izy, no tsy nitiavanao ny dihy?
20  [2.313] Tsimpony ny teny rehetra mampiseho ny maha-malagasy ny dihy sy ny mpandihy.
Synonymes  21  danise, tsinjaka
Analogues  22  tsinjaka, sahoby, totorebika, tsipisandry, velatanana, dihy soroka, dada, jaiko, soamaroroka, tsaramiera, soratra, afindrafindrao, salegy
Proverbes  23  Proverbes contenant le mot dihy

Entrée (2/2)24  Dihy
Partie du discours  25  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Mots élémentaires  26  dihy
Vocabulaire  27  Littérature: poèmes
Auteur  28  Rabearivelo Jean-Joseph
Texte complet 
29  Ritsodritso-baliha telo, 30  gobogobok' ampongatapaka, 31  lokanga dimy indray dinidy 32  sy sodin-taolana tsara loaka.
33  Io misonenika Ratovovavy, 34  miakanjo manga marain-droa ! 35  Ny lamba valaka mavokely; 36  raozy gasy ao anaty volo.
37  Tsoakam-bero sa bararata 38  mihararetra any amoron' ala ? 39  Sidintsidin' ny andro meva, 40  sa angidi-mangan' ny eny an' ony?
41  Io misonenika Ratovovavy, 42  moana tahaka ny Fiadanana; 43  valiha telo, ampongatapaka, 44  lokanga, sodina no indray henony.
45  Fa injay ny molony mangovingovitra, 46  ipololoran'ny nofinofy; 47  tsy toha intsony ka zary kalo, 48  dia zary hira nony efa avy eo.
49  Mba hontsa koa Ravaviantitra, 50  ka io mirotsaka mba handihy, 51  mitari-joro ny ila sikiny, 52  dia toy ny androny mirefarefa.
53  Tsy kalokalo na hirahira 54  no mampifelana izato endriny, 55  ranomaso no mamonto azy, 56  mahatsiaro ny maty rehetra...
57  Mahatsiaro... Toa fenomanana 58  efa ho rendrika tsy ho hita. 59  inty mihintsana ny lohataona 60  ka zary fasana ravi-maina...
61  Dia mifanojo ny loha tondro, 62  ny tondro mihantsin-dRatovovavy 63  sy ny tondro efa fola-dRavaviantitra, 64  samy tanteraky ny hazavana.
65  Mifanojo ka toa tetezana 66  ifanohizan' ny alin-kely 67  efa foy ery an-tendrombohitra, 68  sy ny andro maneno akoho !

Anagrammes  69  dihy, Dihy, hidy

Mis à jour le 2025/08/22