|
|
|
|

Entrée (1/2)1 alakarabo
Partie du discours  2 nom
Explications en malgache  3laharana fahavalo amin' ny volana malagasy, ary zana-bintana ampofoin' ny Adimizana. Amin' ny lafin-drindrina andrefana, avy eo avaratry ny zorom-baravarambe no anjara-toerany. Ny anarany dia nalaina avy tamin' ny antokon-kintana izay ataon' ny Arabo hoe El-aqrab (Scorpion, maingoka). Ny tonon' andro Alakarabo dia androm-bokatra, ka amin' izany no isantarana ny fambolena, indrindra fa ny zava-maniry mihantom-boa: akondro, vary, katsaka, ets. Izany koa no mahatonga ny fanao amin' ny fisoronana akondro vokatra, isaky ny tsinam-bolana ny Alakarabo..
4Ny mpanjaka Ranavalona II (1868-1883) dia teraka tamin' ny vava-Alakarabo; ka tamin' ny andro nanjakany dia toa notadiaviny hafindra tamin' ny Alakarabo ny Fandroana; nefa tsy nety levona tao an-tsain' ny vahoaka ny maha Asaramanitra. Ilay "Lalàn' ny Fanjakana" (Code des 305), izay notononin' ny olona hoe "Ny dimy venty sy telon-jato", dia nokabariny tao Andohalo tamin' ny Talata 1 Alakarabo (29 mars 1881). Nikendry ny fitsingerenan' ny tonon' andro nahaterahany izy tamin' io..
5Ny nampahalaza ny Alakarabo indrindra dia izy natao ho fotoana fandatsahana miaramila tamin' ny andro nanjakan' io Ranavalona II io, ka nahatonga ny fitenin' ny olona, sady natao an-kira hoe:.
6"Raha midona ny Alakarabo, zanak' iza no tsy ho miaramila?". Dia nisy ny antoko-miaramila nomena anarana hoe "Alakarabo voalohany", "Alakarabo faharoa", ets, araka ny fotoana nandatsahana azy. Tato aoriana dia nosoloana ny anarana hoe "Vôlantera" ny hoe Alakarabo; nefa tsy dia an-tsitrapo tsy akory no nilatsahana ho miaramila tamin' izany..
7Ny vintana Alakarabo dia miarina eo amin' ny Alahamady, fa mifandratra amin' ny Adaoro..
8Ny faditra fanesoran-doza amin' ny vintan' Alakarabo dia ny mosavinkena sy ny hazo marary ila (maina ny ila hazo); ary ny sorona enti-maniry ny fahasoavana amin' izany kosa dia ny akondro vokatra, ny vatolalaka ary ny betaonàny (vary).. [1.10]
9. [3.1]
70volana novambra (volana faha-8). [Taimoro] [1.78]
71Anaran' ny volana fahavalo amin' ny filaharan' ny volana malagasy merina, aorian' ny Adimizana ary alohan' ny Alakaosy, ka ny toerana nomena azy tao antrano dia teo amin' ny lafindrindrina andrefana, ilany atsimo.
72Fanandroana: Tonon' andro tsara fa androm-boa ny alakarabo. Vavany, na vodiny: raha vehivavy, maro anaka; raha lehilahy, tratra antitra fa vokatra loatra. [1.1]
Explications en anglais  73the name of the eighth month of the Malagasy year. [Ar. Al-aqrabu - Scorpio; Heb. a'qrab.]. [1.2]
Exemples  74 Ny varavaram-pasana no atodika any @' ny alakarabo. [1.381#]
75 N° 320 Tamy ny andro Alahady 20 alakarabo, 20 Desembra 1891. [2.59]
Vocabulaire  76 Temps 77 Croyances
Hypéronyme 
Co-hyponymes 
Proverbes  154 Proverbes contenant ce mot
Tableaux et planches  155 Mesure du temps

Entrée (2/2)156 alakarabo
Partie du discours  157 nom
Analogues  158 sikidy
Texte  159

Mis à jour le 2025/11/06