| Explications en malgache |
3 laharana fahafito amin' ny volana malagasy. Ny anarany dia nalaina avy amin' ny anaran' ny antokon-kintana, izay ataon' ny Arabo hoe El-mizân (Balance)..
4 Ny Adimizana dia reni-vintana mitretro ny Alakarabo, ary mibaby ny Asombola. Eo anjorom-baravarambe (atsimon-andrefana) no filaharany, ary mivoaka sy miditra eo ny soa sy ny ratsy..
5 Isan' ny andro mahery ny Adimizana, ka ny ozona atao amin' ny olona vintan' Adimizana, dia manjary mivadika ho soa azy; tsy maty vonoina izy, fa tahaka ny varavarambe, ka na atositosika marain-tsy hariva aza dia tsy mankaiza fa mbola anton' ny trano eo ihany..
6 Ny olona izay manana vintana mifandratra amin' ny Adijady, raha ta-hanao zavatra tian-ko mafy sy mateza, dia manao izany amin' ny vonton' Adimizana, indrindra fa ny hampaka-bady. Saingy atahotahorana ihany amin' izay ny tsy ho marina am-panambadiana, satria mivoha lava ny varavarambe (Adimizana); ka dia andevenana vatokilonjy ao ambany tokonana, mba tsy hihetsiketsika tahaka iny vato nalevina iny ny mpanambady..
7 Ny kintana telonohorefy dia atao hoe Adimizana, noho ny filahatr' ireo kintana telo ireo, izay hoatra ny tsara lanja mihitsy, sady manana ny endriky ny vovona-mizana : misy fisasahany hampitoviana ny lanjan-javatra..
8 Ny Alahamady no tonom-bintana mifandratra amin' ny Adimizana; ary ny mitanila eo amin' ny Alohotsy sy ny Adaoro kosa no iarenany sy iandrianany..
9 Ny zaza teraka Adimizana dia ampitahirizina mizana, ary tsy mba avela hitafy lamba tohi-loha. Omby sada sy akoho maramara no manambina azy raha ompiany..
[1.10]
10 .
[3.1]
71 Anaran' ny volana fahafito amin' ny filaharan' ny volana malagasy merina, aorian' ny Asombola ary alohan' ny Alakarabo, ka ny toerana omena azy ao an-trano dia eo amin' ny zoron-trano atsimo andrefana (zorom-baravarambe). Andro mahery aoka izany ny Adimizana ka ny ozona atao amin' ny olona teraka Adimizana aza mivadika ho soa ho azy.
72 Fanandroana: vavany: raha lehilahy, mpivarotra, mpandranto; raha vehivavy: tsy mitahiry mizana fa miala vintana; raha tsy mpanankarena dia maty kely izy; vontony: tsara, mpanankarena, tsy maty vonoina; vodiny: tsara, tratra antitra; raha tsy maty kely, raha tsy roa volo tsy maty.
[1.1]
|