|
|
|
|

Entrée (1/2)1  dihy
Partie du discours  2  nom
Dérivés 
3  Verbes actifs :
4  Verbes passifs :
5  Verbes relatifs :
6  Noms :
Tous les mots composés  7  14 mots contenant dihy
Explications en malgache  8  [1.1] fampisehoam-pihetsehana ataon' ny tena manontolo: loha, tanana, tongotra, ary indraindray koa aza ny vatana, mba hanehoana fifaliana
Toetran' ny fanidin' ny vorona eny amin' ny habakabaka raha tsy mihetsika na mikopaka ny elany
Explications en anglais  9  [1.2] a dance, dancing in the native style. See danise, tsinjaka
10  [1.7] a dance, dancing
Explications en français  11  [1.3#102, 1.8] danse
12  [1.3#102] sautillement, tournoiement de la toupie, du fuseau
le trémoussement des ailes d’un oiseau planant au même point
Exemples  13  [2.245] Velona indray ny hira amana dihy natao teo tamin' ny ndeha hangataka iny.
14  [2.5] Inona kosa, hoy Noro nony efa nitonitony izy, no tsy nitiavanao ny dihy?
15  [2.313] Tsimpony ny teny rehetra mampiseho ny maha-malagasy ny dihy sy ny mpandihy.
Synonymes  16  danise, tsinjaka
Analogues  17  tsinjaka, sahoby, totorebika, tsipisandry, velatanana, dihy soroka, dada, jaiko, soamaroroka, tsaramiera, soratra, afindrafindrao, salegy
Proverbes  18  Proverbes contenant le mot dihy

Entrée (2/2)19  Dihy
Partie du discours  20  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Mots élémentaires  21  dihy
Vocabulaire  22  Littérature: poèmes
Auteur  23  Rabearivelo Jean-Joseph
Texte complet 
24  Ritsodritso-baliha telo,
25  gobogobok' ampongatapaka,
26  lokanga dimy indray dinidy
27  sy sodin-taolana tsara loaka.

28  Io misonenika Ratovovavy,
29  miakanjo manga marain-droa !
30  Ny lamba valaka mavokely;
31  raozy gasy ao anaty volo.

32  Tsoakam-bero sa bararata
33  mihararetra any amoron' ala ?
34  Sidintsidin' ny andro meva,
35  sa angidi-mangan' ny eny an' ony?

36  Io misonenika Ratovovavy,
37  moana tahaka ny Fiadanana;
38  valiha telo, ampongatapaka,
39  lokanga, sodina no indray henony.

40  Fa injay ny molony mangovingovitra,
41  ipololoran'ny nofinofy;
42  tsy toha intsony ka zary kalo,
43  dia zary hira nony efa avy eo.
44  Mba hontsa koa Ravaviantitra,
45  ka io mirotsaka mba handihy,
46  mitari-joro ny ila sikiny,
47  dia toy ny androny mirefarefa.

48  Tsy kalokalo na hirahira
49  no mampifelana izato endriny,
50  ranomaso no mamonto azy,
51  mahatsiaro ny maty rehetra...

52  Mahatsiaro... Toa fenomanana
53  efa ho rendrika tsy ho hita.
54  inty mihintsana ny lohataona
55  ka zary fasana ravi-maina...

56  Dia mifanojo ny loha tondro,
57  ny tondro mihantsin-dRatovovavy
58  sy ny tondro efa fola-dRavaviantitra,
59  samy tanteraky ny hazavana.

60  Mifanojo ka toa tetezana
61  ifanohizan' ny alin-kely
62  efa foy ery an-tendrombohitra,
63  sy ny andro maneno akoho !

Anagrammes  64  Dihy, dihy, hidy

Mis à jour le 2025/08/10