Index

Proverbes : mpilaza

Proverbe Mahantra lahy : fa mahery tsy ambinim-babo : malemy fanahy tsy misy mpankasitraka ; manao soa tsy manana mpilaza. [Cousins 1871 #1408]
Mahantra lahy fa mahery tsy ambinim-babo, malemy fanahy tsy misy mpankasitraka, manao soa tsy misy mpilaza. [Rinara 1974 #124]

Proverbe Na manga aza ny voantay, tsy mba nisain' ny olona ho tsikovoka akory. [Rinara 1974 #2726]
Tsy misy manga noho ny voantay ; fa ratsy mpilaza, ka tsy mba nisain' ny olona ho tsikovoka. [Veyrières 1913 #3085]
Tsy misy manga noho ny voantay, fa ratsy mpilaza ka tsy nisain' ny olona ho tsikovoka. [Rinara 1974 #4729]
Traduction française Rien n' est aussi beau qu'un bousier mais parce qu' on a mal parlé de lui, il n' est pas compté parmi les dytiques. [Veyrières 1913 #3085]
Interprétation française Se disait des gens qui ont mauvaise réputation. [Veyrières 1913 #3085]

Proverbe Ny mpilaza mahay, ny valala misy rahateo. [Rinara 1974 #3163]
Ny valala misy rahateo; ny mpilaza mahay koa. [Houlder 1895 #1601, Cousins 1871 #2463]
Traduction française Des sauterelles, il y en a; et celui qui en parle le fait avec brio. [Houlder 1895 #1601]

Proverbe Ny valala mameno tanety, ny zavona mameno lohasaha, fa ny mpilaza mahay rahateo. [Rinara 1974 #3351]

Proverbe Tsy misy manga noho ny voantay ; fa ratsy mpilaza, ka tsy mba nisain’ ny olona ho tsikovoka. [Cousins 1871]

Index