Entrée malemy (lemy)
Partie du discours adjectif
Définition malgache Malefaka, malambolambo: Malemy ny hoditry ny zaza
¶ Mora aforitra, tsy henjana, mora tapaka: Vola malemy ~ Malemy ity rantsan-kazo ity
¶ Mora tsakoina, boda, bodaka, mihonankonana: Tsara masaka ny hena ka malemy ~ Savoka malemy
¶ Kely aina, tsy matanjaka, mihozohozo, mangozohozo: Mbelà fa malemy loatra ianao ka tsy hahavita io asa io
¶ Tsy afa-manohitra fa manaraka ambokony, morainy loatra, rainazy: Malemy loatra amin-janany io Ramatoa io
Mitovy hevitra: boda ~ bodaka ~ boretaka ~ garera ~ kely aina ~ kely ambaitra ~ konetaka ~ lotaka ~ malemilemy ~ malezolezo ~ mangozohozo ~ marafoka ~ marary ovana ~ marazoka ~ marezoka ~ mavozo ~ mavozovozo ~ mihonankonana ~ modaka ~ mondaka ~ motraka ~ nondaka ~ somararetra ~ tsingozahoza ~ tsy mahazo nofo ~ tsy matanjaka ~ vavivavy [Rajemisa 1985]
Définition anglaise soft; weak [Hallanger 1973]
Définition française mou; faible [Hallanger 1974]
Définition française mou [SLP 1986]
Mots composés, titres, noms 
Analogues 
Exemples Katsaka efa matoy nefa mbola malemy no alaina. [Andraina: Mitaraina, page 21]
Citations 

Entrée malemy (lemy)
Partie du discours nom
Définition malgache voan'ny paralisia [SLP 1986]
Définition française paralytique [SLP 1986]
Vocabulaire 

2014/09/19