Texte complet |
6 Moa ianao tsy teo an-tratrako, ary efa sambatra aho
7 Namolivoly ny takolako teo an-daingon-tavanao
8 Ary azoko natao ny nioty anao an-taho
9 Ry Voninkazo fanaperana, eny azoko natao.
10 Eny azoko natao, tsy ho nandà ianao
11 Efa niaraka nihovitra ny fanahy mifankatia
12 Nefa tsy nioty aho ny itiavako anao
13 Dia ny hanitrao tsy fantatro, no nofisiko doria,
14 Fa ny hanitrao tsy fantatro, ao anatin’ny vinaniko
15 Dia nivoatra hifandrindra amin’ny nofinofy mamiko
16 Ao aho, mianoka ao, mianoka ao doria, doria.
17 Tsy nioty aho, ary tsy hioty anao
18 Aoka ho zava-miafina amiko, izay rehetra aminao
19 Ndrao hanony ny hetahetako, ny hetahetako fitia.
|
|