Explications en malgache |
4 [1.1] Mamoaka feo mafy tampoka mirefotra (vato, vanja, basy, tafondro): Nipoaka ny tafondro ka nihovotrovotra ny trano
Vaky miparitaka tampoka: Nipoaha ny fitaratra voan' ny vato
(masoandro na ny andro) Miposaka, na amin' ny maraina na rehefa avy nandalo tao anaty rahona: Efa mipoaka ny andro ka andeha hanahy ny vary
Mivoaka miseho hita ety ivelany, mirofotra: Tsy mbola nipoaka ny kitrotron' ny zanany
Miseho miharihary, vaky: Nipoaka ny tetiky ry zareo ka henatra foana no hitany
Nipoako ny ady lehibe no teraka ny zandriko
Misy bontsina miseho, miempaka: Nipoaka ny tanako tamin' ny asa angady omaly sy afakomaly
Mihamahia: Nipoaka Rakoto hatramin' izay naharariany izay
5 [1.78] [Sihanaka]
miposaka (masoandro)
|