Entrée | 1 fandrenesana |
Radical | 2 re |
Partie du discours | 3 nom |
Explications en malgache |
4 [1.1] Fahafantarana feo Fahazoan' ny olombelona mifandray amin' ny zavatra manodidina azy ka ahafantarany ny momba ny tsirony, ny fofony, ny feony sy ny hamafiny: Misy efatra ny fandrenesana ka ireto avy ny organina aminy: ny lela, ny orona, ny sofina, ny hoditra amin' ny tena manontolo, fa indrindra ny tanana Varavaran-tsaina. (Marihina fa ny fahitana dia tsy mba voafaoka ho anisan' ny fandrenesana) |
Explications en anglais |
5 [1.7] the sense of hearing; also used of other senses |
Explications en français |
6 [1.8] l'ouïe ; sensation en parlant des autres sens, sauf la vue |
Exemples |
7 Endrey ny alahelo amy ny fandrenesana izany! [2.59#] 8 Azo lazaina ihany koa fa tsy manafintohina loatra ny fandrenesana azy io. [1.519#] 9 Nampandraiki-marary azy mihitsy ny fandrenesana, fa nanaiky tokoa Razaimalala. [2.324#] |
Vocabulaire |
10 Biologie |
Analogues | 11 fahitana, fanamboloana, fitsapana, fitsiroana |
Mots composés |
|
Anagrammes | 13 |
Mis à jour le 2025/01/21 |