|
|
|
|

Entrée (1/3)1  embona
Partie du discours  2  nom
Explications en malgache  3  [1.1] fahatsiarovana amin' alahelo olona na zavatra (toy ny tanàna na tany) noho ny fitiavana: Anisan' ny fihetseham-po mamelovelo so am-pony embona ny tanindrazana
Explications en anglais  4  [1.209] sigh
Explications en français  5  [1.3] regret
soupir poussé en songeant à une personne ou à un objet chéri, absent ou perdu
Exemples  6  Hita mifaritra mazava ny azy ny embona. [2.314]
7  Tsy tana ny embona : " Vitsika momba kitay, hoy Jean Narivony, ka manimanina ny any aminay! [2.356]
8  Izay no voalohany nandehanan' ny sainy tany amin' i Sahondra, dia ohatra ny nisy embona nifangaro hatezerana nibosesika tao am-pony. [2.529]
Vocabulaire  9  Emotions
Dérivés 
10  Verbes actifs :
11  Verbes passifs :
12  Verbes relatifs :
13  Noms :
Analogues  14  hanina
Titres  15  Embona (Razafindrafidy Bien-Aimé)
16  Tsy embona (Rabearivelo Jean-Joseph)

Entrée (2/3)17  embona
Partie du discours  18  nom
Explications en français  19  [1.19] [Tankarana] flotter
Dérivés 
20  Verbes actifs :
21  Verbes relatifs :

Entrée (3/3)22  Embona
Mots élémentaires  23  embona
Partie du discours  24  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Vocabulaire  25  Littérature: poèmes
Auteur  26  Razafindrafidy Bien-Aimé
Texte complet 
27  Midona malefaka ery Ankaratra,
28  vaky tsipelana ny eny Anjafy.
29  Midona kanefa tsy fahavaratra,
30  fa erika kely no re mifafy.

31  Lanitra soa, tomarataratra,
32  otronin'ny rahona mitsitoko,
33  kanefa, ry lahy, iry Ankaratra
34  zary manjombona sy manjoko.

35  Ankaratra ô! nahoana kosa,
36  manembona ve ilay nisaraka,
37  ka ny tolokony miavosa
38  eo aminao no te-hiraraka?…

39  Raha manina izy ka mitomany,
40  lalim-pisento fa te-hiverina,
41  asaivo mitony hangina ihany
42  fa toraka izany'lay eto Imerina!

43  Ny sentom-pony raha tonga fatra
44  - ka indro mandrotika ny fanahy -
45  aoka hionona fa ny ratra
46  iombonako aminy lavitra ahy!

47  Tsy oram-baratra no midona, fa
48  fo feno hanina no miteny,
49  ka ny vetsom-panahiny kely foana
50  tsy sasa-mivezika sy manjeny.

51  Eny, ry rahona ery Ankaratra!
52  ry rahona fotsy iaraha-mijery,
53  meteza ianao mba ho fitaratra
54  hampita ny sarin'ilay miery.

55  Vaky tsipelana ve Anjafy
56  ka tsy hidoboka iry Ankaratra?
57  Raha izy misento ka mafimafy,
58  ny foko no toy ny latsaham-baratra!

Anagrammes  59 

Mis à jour le 2025/01/21