Texte complet |
6 Dieny mbola velona aho k'eto an-tany ny fanahiko,
7 Dia izao no voady masina tsy maintsy tanterahiko:
8 Ny fitiavana an'i Madagasikara tanindrazako
9 Sy ny Gasy manontolo rehareha sady lazako.
10 Dieny mbola velona aho ka mijoro koa ny vatako,
11 Dia ity no foto-kevitra tsy maintsy hosoratako:
12 Gasikarako malala dia voasokitra ao anatiko,
13 Hatr'izay nisiako'zany ka ho mandra-pahafatiko.
14 Dieny mbola velona aho ka ny masoko mihiratra,
15 Dia iriko ny hanondrotra ny Gasy mba hamiratra,
16 Ary 'zao no ventin-kevitra sy voady tena mamiko:
17 Ny handray ny Malagasy mba hitovy hevitra amiko.
18 Dieny mbola velona aho ka milamina ny fiainako,
19 Dia i Madagasikara no ao anatin'ny fisainako:
20 Io 'lay Nosiko malala'zay akany nahafoizana,
21 Ka ny hampisondrotra azy no kendreko hotohizana.
22 Eny, maty aza aho ka hikatona ny fasako,
23 Moa tsy Madagasikara ve no tsangambato' asako ?
24 Dia i Madagasikara Nosy mamy fikirizana,
25 Ka tsy levona ao am-poko fa natao fitehirizana.
26 Dieny mbola velona aho k'eto an-tany ny fanahiko,
27 Dia izao no voady masina tsy maintsy tanterahiko:
28 Ny fitiavana an'i Madagasikara tanindrazako
29 Sy ny Gasy manontolo rehareha sady lazako.
|
|