Entrée Andriamisara Efa-dahy
Mots élémentaires Andriamisara ; efatra ; lahy
Partie du discours nom propre (anthroponyme) [liste complète]
Explications en malgache Indray mandeha isan-taona, isaky ny volana Volambita na Volamitsoka (volana alakaosy), dia manao fivoriambe ho fanasinana sy fampandroana an' Andriamisara Efa-dahy ny vahoaka Sakalava hatrany Ambato any atsimo, Sambirano any avaratra, Ambongo any Andrefana ary Antanivaky any atsinanana.

Ny Mpanjaka Sakalava antsoina hoe Andriamisara Efa-dahy dia Andriamisara, Andriandahifotsy, Andriamanetriarivo ary Andriamandisoarivo. Herintaona taorian' ny nahafatesan' ny Mpanjaka dia nalaina tamin' ny tenany ireto sombin' ny tenany ireto : volo sy volombava, ny vangy roa ambony, hoho avy amin' ny rantsan-tanana anankiray ary sombin-taolana avy amin' ny karandoha. Ireo no ampidirina ao anaty tandroka volafotsy atao hoe ampondifanjava izay hidiana ao anaty vatakely volafotsy ka tahirizina ao amin' ny Zomba Faly na Zomba Fady na Tranomasina tsy azo idirana, ao anatin' ny Zombabe, Tranomasina lehibe ao Mahazoarivo Mahajanga.

Indray mandeha isan-taona àry dia mivory ao Mahazoarivo ao Mahajanga ny vahoaka Sakalava mpankato sy mpivavaka amin' Andriamisara Efa-dahy. Izany no atao hoe Fanompoabe. Ny sarambabem-bahoaka dia mivory ao ivelan' ny Zombabe, fa ny Mpanjaka sy ny Zanakandriana kosa dia ao antin' ny Zombabe eo anilan' ny Zomba Faly. Mandritra ny fotoana rehetra anaovana ny lanonana dia tsy mitsahatra ny hira masina, ny fandoroana emboka ny feon' amponga sy kahiamba ary ny vavaka.

Rehefa tonga ny fotoana hampandroana an' Andriamisara Efa-dahy, dia mivoaka ny Ranitra Ampanjaka, Mpanolo-tsaina ny Mpanjaka sady Mpisorona, mitondra antsy, mamono ireo omby efa voafatotra hovonoina ao amin' ny kianja manodidina ny Zombabe, ny valamena. Rahefa avy eo dia sasàny ao anatin' ny rano antsiny efa voaomana ny ra eo amin' ny antsy, ka zaraina amin' ny olona hosotroiny io rano misy ra io ho fankatoavana sy fanasinana an' Andriamisara Efa-dahy sy ho fanadiovana sy fitahiana ho an' ny olona. [2.508]


Mis à jour le 2023/11/20