|
|
|
|

Entrée (1/5)1  ho
Partie du discours  2  particule [Liste complète]
Explications en malgache  3  [1.1] Teny kely fametraka eo alohan' ny teny iray hanambarana ny fotoana ho avy, ka io teny ialohany io mety ho:
-- Anarana: Ny ho dokotera no kendreny
-- Mpamaritra anarana: Ho hendry aho amin' ny sisa
-- Mpisolo anarana: Ho izany tokoa!
-- Matoanteny: Ho tonga rahampitso izy / Ho vita ity rahariva (raha matoantenin' ny iharana misy tovana, mitovona ny ho: Hovitaiko ity rahariva)
-- Mpamaritra matoanteny: Ho aiza i Neny? -- Ho any an-tsena aho, anaka
Teny kely fametraka eo alohan' ny an- na ny mpisolo anarana misolo olona fameno (ahy, anao, azy...) ka enti-milaza ny olona voakendry ho tompon-javatra: Ho andRakoto, ho antsika
Teny fanao: a) eo aorian' ny matoanteny toy ny hoe atao, heverina hilazana toe-javatra tsy tahaka ny niheverana azy: Nataoko ho efa lasa ianao; b) eo aorian' ny matoanteny, toy ny hoe manao, mihevitra, mihambo, hilazana toetra tsy ananana: Manao azy ho adala, mihevitena ho mahay; d) eo aorian' ny matoanteny toy ny manova, miova, ovana: Miova ho tsara
Teny fampidirana ny fehezan-kevitra milaza zava-kendrena: Mihinana mba ho velona, fa tsy velona mba hihinana, na firariana: Ho tonga anie i Dada!
Eo anelanelan' ny mpamaritra matoanteny miverina indroa enti-milaza toerana na fotoana tsy voafaritra marina: Aiza ho aiza, eto ho eto, atsy ho atsy
Explications en anglais  4  [1.7] sign of the future tense, used before consonants, as
-- tonga, v. arrived; ho tonga, will arrive
-- tapahina, v.pass. to be cut; hotapahina, will be cut
Explications en français  5  [1.8] marque le futur; se met devant les consonnes; ex.
-- tonga, v. arrivé; ho tonga, arrivera
-- tapahina, v.pass. qu'on coupe; hotapahina, qu'on coupera
Mots composés 
Phytonymes 

Entrée (2/5)79 
Partie du discours  80  préposition [Liste complète]
Explications en malgache  81  [1.78] [Tanosy] tahaka, sahala

Entrée (3/5)82  ho
Partie du discours  83  adverbe [Liste complète]
Explications en malgache  84  [1.78] [Tanosy] toa, toy ny, toy izany: hô fary, ny lohany indray botsa
Mots composés 

Entrée (4/5)91  ho~
Partie du discours  92  préfixe [Liste complète]

Entrée (5/5)93  Ho    
Partie du discours  94  nom (symbole)
Explications en malgache  95  [3.1] Singa mivaingana, faha-67 amin'ny fisokajiana miherina.
Explications en anglais  96  [3.1] Holmium.
Vocabulaire  97  Chimie
Tableaux et planches  98  Table périodique

Mis à jour le 2024/12/10