Texte complet |
31 Gina aho, eny tankina fa tsy nino hatramin'ny farany...
32 Mbola nihevitra ny hahazo hiady amin'ny fahafatesana!
33 Indrisy! tafahoatra ny heriko ny hangidin'ny fiharany ;
34 Eny! hankaiza aho anefa? Lahatra tsy ifandrefesana!
35 Tapitra fitepo hatreo ny fonao tia, rahavako...
36 Vata-mangatsiaka indrisy! sisa fihiniko eto an-tratra;
37 Eny! iky izany ianao ka ho afoin'ny fitiavako!
38 Ho banga anao ny fiainako, ô famoizana mahantra!
39 Mamaivay ny ranomaso : fahoria-mamelively...
40 Torovana sy fanina aho misaina ireo kamboty kely
41 Sy ny akany ho foana anao, tsy hahita anao intsony! ! !
42 Tsy foiko ianao hisaraka amiko, ry malala mamanara...
43 Nefa ho aiza aho fa resy anatrehan'ny Anjara!
44 Raiko ô, mangidy izao! Ny alaheloko onony!
|
|