Entrée |
alahasaty
|
Partie du discours | nom
|
/m:hyperonym>
Explications en malgache | Laharana fahadimy amin' ny volana malagasy izany. Zana-bintana trotroin' ny Asorotany izy; ary eo
am-pitotoam-bary (atsinananan' ny andry atsimo) no anjara toerany. Ny anarany dia nalaina avy tamin' ny
antokon' ny kintana ataon' ny Arabo hoe El-asad (Lion, Liona).
Andro mainty ny Alahasaty, ary vinta-mpamosavy sy andron' ody; ka ny zaza teraka vava-Alahasaty,
indrindra fa raha amin' ny misasakalina, dia atahorana ho tonga mpamosavy mpivoaka alina, na ho mpitana
ody mahery. Koa dia tsy maintsy nalàm-bintana ny zaza toy izany. Ny odifoana (karazan' ahitra)
no fanalam-paditra ny vintana Alahasaty, mba hahafoana izay ratsy, hahafoana izay tsy soa!
Ny mosavinkena koa no faditra Alahasaty, mba ho lasan' iny ny mosavy rehetra!
Ary rehefa afa-paditra ny zaza dia ampiambozonina volakizo (masombola tsy tapaka) sy vakamainty,
atao hoe tsiambohitrinimanana sy maizinkitro, ary dia asaina miompy akoho mainty.
Tsy mba fanaovan-javatra ny vava-Alahasaty, afa-tsy ny fanandratana ody ihany; koanefa ny vodi-Alahasaty
dia tsara ho fanantaran-javatra sy fampakarambady, fa vintan' ny maintimolaly io.
Ny vintana Alahasaty dia mifandratra amin' ny Adalo, fa miarina kosa eo amin' ny Adijady. [1.10]
|
| [3.1]
|
| [Taimoro]
Volana aogositra (volana faha-5) [1.78]
|
| Anaran' ny volana fahadimy amin' ny volana malagasy merina, aorian' ny Asorotany ary alohan' ny Asombola, ka ny toerana omena azy ao an-trano dia amin' ny lafin-drindrina atsimo, ilany atsinanana Fanandroana: Vinta-mpamosavy ny Alahasaty; vavany: raha tsy mpamosavy ny teraka misasakalina dia mpitana ody mahery; vodiny: tsara kosa, tratra antitra, ho maintimolaly [1.1]
|
Explications en anglais | The name of the fifth month of the Malagasy year. [Al. Al-asadu - Leo major.] [1.2]
|
Explications en français | Nom d'un destin [1.3]
|
Vocabulaire |
Exemples |
1 | Ny Adalo, ny Alahasaty no mifandratra aminy.
[2.857]
|
2 | Tamy ny andro Alarobia 16 Alahasaty 4 Janoary 1882.
[2.59]
|
|
Tableaux et planches |
|
|
Entrée |
alahasaty
|
Partie du discours | nom
|
Analogues |
sikidy |
unkLabel:: |
|