|
|
|
|

Entrée (1/2)1  tafatoetra
Partie du discours  2  participe
Radical  3  toetra
Tous les mots composés 
Explications en malgache  5  [1.1]
Explications en français  6  [1.3] qui s'est placé, qui s'est assis
Exemples  7  [2.48] Taona betsaka taoriana izany, nony efa tafatoetra tsara ny fanjaka' ny, dia nihevitra hamely ny tompon-tany izy.

Entrée (2/2)8  Tafatoetra
Partie du discours  9  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Mots élémentaires  10  tafatoetra
Vocabulaire  11  Littérature: poèmes
Auteur  12  Razakandraina Jean Verdi Salomon
Texte complet 
13  Tafatoetra ao am-poko miaraka aminao androany, 14  Ny hasambara-nokatsahiko hiononako eto an-tany! 15  Ny hatsaran-tarehy nohiraiko sy ny bika nokatsahiko 16  Tsy alaiko noho izay hitako aminao navahiko …
17  Sodokan’eritreritra aho izay elabe izay … 18  Hetahetan’ny tanteraka, afo mampiolomay 19  No nandoro ny fisainako! ‘zay nenjehiko kanefa 20  Moa tsy volavolam-bika tsy haharitra rehefa?
21  Fa ny hitako aminao dia ny vatosoa miafina; 22  Perla mamirapiratra, satry foana hotarafina 23  Fa mampita hazavana mampionona fanahy …
24  Tia ny endrikao aho, mamkamamy anao tanteraka; 25  Nefa mbola ambony lavitra, manan-kery haninteraka 26  Ny fanahy atolotrao hiara-tsambatra amin’ny ahy!

Anagrammes  27  tafatoetra, Tafatoetra

Mis à jour le 2025/08/20